Eskatôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tipelina
Andalana faha-1:
Ny [[eskatolojia]] dia lahateny na fandinihana momba ny fiafaran'izao tontolo izao izay atao hoe koa [[andro farany]]. Ny [[teolojia]] sy ny [[Filôzôfia|filozofia]] dia samy ahitana firesahana momba ny andro farany sy ny zavatra hiseho amin'ny tantaran'izao tontolo izao na ny fiafaran'ny taranak'olombelona. Maro ireo fivavahana miresaka ny amin'ny andro farany ka samy manana ny eskatolojiany izy ireo ka fantatra indrindra amin'izany ny an'ny [[Kristianisma]] sy ny [[Jodaisma]] ary ny [[Finoana silamo]]. Mahakasika ireo lohahevitra mifandray amin'ny andro farany toy ny amin'ny [[Mesia]] na ny vanim-potoana mesianika sy ny zavatra hiseho aorian'ny fahafatesana ary ny amin'ny fanahin'olombelona koa ny eskatolojia.
 
Ny ankamaroan'ireo [[Monoteisma|fivavahana monoteista]] dia misy foto-pampianarana milaza fa ireo mpivavaka voafidy na mendrika ny finoana marina dia hovonjena na hafahana amin'ny [[Fitsarana farany|fitsaran'Andriamanitra]] sy ny fahatezerany amin'ny ho avy. Ho any am-[[paradisa]] izy ireo aloha na mandritra na aorian'io fitsarana kaio arakaraka ny fampianarana.
 
Ny eskatolojian'izao rehetra izao (eskatolojia kosmika) dia iresahana ny andro farany, sy koa indraindray ny fitsarana farany ary ny [[fitsanganana amin'ny maty]]. Ny eskatolojia isam-batan'olona kosa dia iresahana ny fiainana aorian'ny fahafatesana, ny hiafaran'ny fanahin'olombelona aorian'ny fahafatesan'ny vatana (izay hiseho amin'ny endrika maro samihafa: fandalovana ao amin'ny Hadesy ho an'ny finoana grika taloha na ao amin'ny Sheola ho an'ny Jiosy, ny fahatongavana ho nofo indray sns.)
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''eskatolojia'' dia fanagasiana ny teny frantsyfrantsay hoe ''eschatologie'' na ny teny anglisy hoe ''eschatology'' izay avy amin'ny teny grika hoe ἔσχατος / ''eskhatos'', "farany", sy hoe λόγος / ''lógos'', "teny", "resaka" na "fandalinana".
 
== Ny eskatolojian'ny jodaisma sy kristianisma ==
Andalana faha-54:
 
== Eskatolojian'ny finoana Baha'i ==
Ao amin'ny [[finoana baha'i]] dia tsy fonombohana na fiafarana ny [[Famoronana]]. Fanoharana ihany ireo eskatolojia hita ao amin'ireony fivavahana hafa. Ny andron'ny olombelona dia voamariky ny fifanarakarahana fanambaràna miandalana izay ahitana mpitondra hafatra avy amin'Andriamanitra.
 
Ny fotoana iavian'ny mpitondra hafatra na iraka tsirairay dia heverina ho ny andro fitsarana ho an'ny mpinon'ny fivavahana teo aloha, izay mety misafidy ny hanaiky ny mpitondra hafatra vaovao sady hiditra ao amin'ny lanitry ny finoana, na nandàhandà ny iraka vaovao ka hiditra ao amin'ny helon'ny fandavana. Ny teny hoe "lanitra" sy "helo" dia manana heviny am-panoharana ilazana ny fandrosoana ara-panahin'ny olona sy fanakaikezany na ny fanalavirany an'Andriamanitra. Ny fiavian'i Baha'u'llah mpitondra ny finoana baha'i dia manambara ny fahatanterahan'ny fiandrasana eskatolojikan'ny finoana silamo sy kristiana ary ireo fivavahana lehibe hafa teo aloha.
 
== Jereo koa: ==