Famoronana (finoana sy fedrà): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Famoronana ho Famoronana (finoana sy fedrà) i Thelezifor : mba tsy hifangaro amin'ny famoronana hafa
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy rohy
Andalana faha-1:
Ny [[Famoronana]] dia ilay asan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny teniny nampisy izao rehetra izao tany am-boalohany. Tantara miendrika angano (fedrà) ao amin'ny bokim-pivavahan'ny [[Jodaisma]] sy ny [[Kristianisma]] izany, dia ny [[Bokin'ny Genesisy]] (na Jenezy). Ao amin'nyNy Bokin'ny Genesisy dia maneho fa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao avy tamin'ny tsy misy, ka nametraka ny olona ho tampon'ny asa famoronana nataony. Ao amin'ny [[Bokin'ny Salamo]] dia voalaza fa nandahatra sy nandamina an'izao tontolo izao Andriamanitra ka nampisy fifandraisana mivantana eo amin'ny zavaboary rehetra.
 
Indroa miantoana ny tantaran'ny Famoronana ao amin'ny toko voalohan'ny Bokin'ny Genesisy. Amin'ny fitantarana voalohany dia i Elohim, anarana iombonana amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] lasa anaran-tsamirery iantsoana an'Andriamanitra, dia namorona ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy tao anatin'ny enina andro, avy eo niala sasatra, ary nitahy sy nanamasina ny [[Sabata (jiosy)|andro fahafito]]. Ao amin'ny fitantarana, Andriamanitra, izay antsoina amin'ny anarana hoe [[Iahveh]], dia namorona an'i [[Adama]], ilay lehilahy voalohany, avy amin'ny vovo-tany sady nametraka azy tao amin'ny [[Saha Edena]], izay nanaovany azy ho manam-pahefana amin'ny biby rehetra. Noforonina avy amin'i Adama i [[Eva]], ilay vehivavy voalohany sady "mpanampy" ho an'i Adama.
 
Ny fivavahana [[Katolisisma|katolika]] dia mihevitra ny olombelona ho taratry ny sitrapon'Andriamanitra izay tokony hihary ny zavaboary ary mandray anjara amin'ny zavaboary koa ny olombelona.