Boky faharoan' ny Makabeo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-2:
Ny '''Boky faharoan'ny Makabeo''' dia boky ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika atao hoe [[Septoaginta]] na Septanta. Mitantara ny fanoherana nataon'ireo Makabeo io boky io nefa maneho izany amin'ny fomba fijery teolojika kokoa fa tsy ara-tantara. Kely kokoa noho ny an'ny [[Boky voalohan'ny Makabeo]] ny vanim-potoana resahiny: manomboka amin'ny andro faramparany niainan'i Seleokosy IV Epifnesy ary mifarana amin'ny fandresen'i Jodasy Makabeo ny Jenerany Nikanora, dimy ambin'ny folo taona taty aoriana (taona 161).
 
Voasokajy ho [[Boky deoterokanonika|deoterokanonika]] ny boky ao amin'ny [[Baiboly katolika|Baiboly kotolika]] sy ny [[Baiboly ortodoksa]] fa [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]] kosa izy ho an'ny Protestanta sy ny Jodaisma. Ny Anglikana dia mihevitra an'io boky io ho ilaina nefa tsy amin'ny fanorenam-pampianarana na amin'ny fanavotana<ref><small>Harris, Stephen L., ''Understanding the Bible''. Palo Alto: Mayfield. 1985.</small></ref><ref><small>[http://www.episcopalian.org/pbs1928/articles/AnglicanTeaching/042.htm Article VI at episcopalian.org] ([https://web.archive.org/web/20070928122338/http://www.episcopalian.org/pbs1928/articles/AnglicanTeaching/042.htm Tahiry]: 2007-09-28 ao amin'ny Wayback Machine).</small></ref>.
 
Na dia kely kokoa noho ny an'ny boky voalohany aza ny zavatra lazainy momba ny tantaran'ny Jiosy dia loharano ahafantarana ny niantombohan'ny ady teo amin'ny Jodeana sy ny Seleokida io boky io. Ahitana zavatra manakaiky ny lovantsofin'ny [[Fariseo]] koa ao, dia ny vavaka ho an'ny maty izay finoana ny tsy feteza-matin'ny fanahin'olombelona na ny [[fiainana mandrakizay]] sy ny [[fitsanganan-ko velona]] amin'ny Andro fitsarana<ref name=":0"><small>Harris, Stephen L., ''Understanding the Bible''. Palo Alto: Mayfield. 1985.</small></ref>.
 
== Fanoratana ny boky ==
Nosoratana avy hatrany tamin'ny teny grika ny Boky faharoan'ny Makabeo, mety ho tao Aleksandria tokony ho tamin'ny taona 124 tal. J.K<ref name=":0" />.
 
Ny mpanoratra ny 2MakabeoBoky faharoan'ny Makabeo dia tsy mitonona anarana sady nanamafy fa tsy nanao afa-tsy namintina asa soratra avy amina boky dimin'i Jasona avy any Kirena, izay fantatra anarana nefa very. Mety ho nosoratana tamin'y taona 100 tal. J.K. sady tokony niafara amin'ny nahafatesan'i Nikanora, sahala amin'ny ao amin'ny 2Makabeo. Tsy fantatra izay zavatra mikasika an'i Jasona ao amin'ny boky, nefa ny savaranonando sy ny teny mialoha ary ny tenim-pieritreretana ara-pitondrantena sasany dia mety avy amin'ny mpanoratra tenany.
 
Olona efa miaina amin'ny kolontsaina grika ny mpanoratra satria nanoratra avy hatrany amin'ny teny grika izy fa tsy nandika avy amin'ny teny hebreo tranainy.
Andalana faha-23:
 
== Foto-pampianarana ao amin'ny boky ==
Ny Boky faharoan'ny Makabeo dia maneho lohanevitra maro avy amin'ny fivavahana jiosy araka ny fampianaran'ny Fariseo izay hita koa ao amin'ny teolojia katolika sy ny teolojia ortodoksa tatsinanana. Ny lohahevitra ara-potopampianarana ao amin'io boky io dia ahitana:
 
* ny vavaka ho an'ny olona efa maty sy ny fanaovana fanati-pisoronana hanesorana ny fahotan'ny maty (2Mak. 12.42-45);
* ny fahamendrehan'ny martira hahazo valisoa;
* ny fanelanelanan'ny ataon'ny olomasina (2Mak. 15.11-17) araka ny fivoasan'ny kristiana: ny vavak'i Jeremia ao an-danitra dia raisin'ny Katolika ho porofo ara-Baiboly momba ny fanelanelanana ataon'ny olona masina (2Mak. 15.14)<ref name=":1"><small>James Akin, [http://www.ewtn.com/library/ANSWERS/DEUTEROS.htm Defending the Deuterocanonicals]</small></ref>;
* ny fitsanganan'ny maty ho velona;
* ny firesahana manokana ny amin'ny famoronana avy amin'ny tsy misy (latina: ''creatio ex nihilo'') (2Mak. 7.28).
 
Ireo fanoritsoritana lava momba ireo fampijaliana martiran'i Eleazara sy momba ilay reny sy ny zanany lahy fito (2Mak. 6.18 – 7.42) dia nahatonga ireo Kristiana tamin'ny Andro Antenantenany hamoron-javatra an-tsaina. Maro ireo fiangonana izay atokana ho an'ireo "martira makabeana" sy isan'ireo olo-malaza talohan'ny andro kristiana izay hita amin'ireo tetiandro katolika momba ireo andro masina. Maro dia maro kokoa izany isa izany ao amin'ny tetiandro ortodoksa tatsinanana. Heverina ho ny modely voalohany ho an'ny tantaran'ny martira tamin'ny Andro Antenantenany io boky io.
 
Ilay mpiady hevitra teolojiaka (apolojista) katolika Jimmy Akin dia nanao fandinihana momba ny voalazan'ny [[Epistily ho an'ny Hebreo]] (Heb. 11.35: "''Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra''") sady manamarika fa io fanantenana ny fiainana mandrakizay aorian'ny fampijaliana dia tsy hita na aiza na aiza ao amin'ireo boky protokanonika ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] (izany hoe ny kanona hebreo na kanonan'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly protestanta), nefa hita ao amin'io boky io (2Mak.7)<ref name=":1" />.
 
== Jereo koa: ==