Arivo taona (kristianisma): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]] na [[Arivo taona (kristianisma)|fanjakana arivo taona]] dia ilazana ny faharetan'ny fanjakan'i Jesosy Kristy eto an-tany aorian'ny niakarany any an-danitra araka ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsy]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Izany fanjakana arivo taona izany dia resahina ao amin'ny toko faha-20 ao amin'ny Bokin'ny Apokalipsy. Samy manana ny fivosany izany arivo taona izany ny mpanao heviteny sy ny antokom-pinoana ka ao ireo mandray izany ara-bakiteny<small>,</small> izay atao hoe milenarista<small>,</small> ary ao koa ireo mandray izany amin'ny heviny am-panoharana<small>,</small> izay atao hoe amilenarista.

Inty ireo andalana ao amin'ny Apokalipsy miresaka ny amin'ny arivo taona hanjakan'i Jesosy Kristy eto an-tany:
 
<small>"1 Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; 2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, 3 dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. 4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. 5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. 7 Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany 8 ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany." (Apok. 20.1-8)</small>
 
Tsy voaresaka mazava tsara ny fotoana sy ny fomba hisehoan'ireo arivo taona ireo ka maro ny fanaovana hevi-teny momba ilay fanjakana arivo taona ary maro koa ny antokom-pivavahana mandray ara-bakiteny izany arivo taona izany ka miteraka ny atao hoe [[milenarisma]], raha ny sasany kosa manome heviny am-panoharana izay voalaza ao amin'ny Apokalipsy.
 
== Ny milenarisma ==
Ny milenarisma dia fivoasana ara-bakiteny ny arivo taona hanjakan'ny mesia eto an-tany. Mizara roa ny milenarisma, dia ny premilenarisma (izay mihevitra fa hanjaka arivo taona alohan'ny alohan'ny arivo taona hanagadrana an'i Satana ny Mesia) sy ny postmilenarisma (izay mino fa aorian'ny hanagadrana an'i Satana no hiavian'ny vesia hanjaka arivo taona).
 
==== Premilenarisma ====
Ireto avy ireo fiangonana premilenarista: ireo [[Evanjelisma|Fiangonana evanjelijka]], ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito, ny [[Vavolombelon'i Jehovah]] ary ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany|Olomasin'ny Andro Farany]].
 
==== Postmilenarisma ====
Tsy dia be mpanaraka ny fivoasana postmilenarista.
 
== Ny amilenarisma ==
Ny amilenarisma dia fampianarana izay manambara fa tsy ara-bakiteny izany fanjakana arivo taon'ny Mesia izany. Amilenarista ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]], ny [[Kristianisma ortodoksa|Fiangonana ortodoksa]], ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]], ny [[Fiangonana nohavaozina]] ary ny [[Loteranisma|Fiangonana loterana]].
 
== Jereo koa: ==