Tetiandro mozilmana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fandrefesana fotoana sy ny silamo
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[tetiandro miozolmana]] na [[Tetiandro miozolmana|tetiandro silamo]] dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny [[Volana]] amin’nyamin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana ny tetiandro miozolmana. Fohy kokoa noho ny taona gregoriana na joliana ny taona miozolmana ka 11 andro ny elanelan'izy ireo. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana amin'ny fivavahana silamo ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]] na amin'ny fizaran-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny [[tetiandro hebreo]].
 
Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanadrifymifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'i [[Mohamady]] sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hiǧrah'' (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / ''at-taqwīm al-hijrī'' io tetiandro io amin'ny teny arabo.
 
Ireto avy ny anaram-bolana ao amin'ny tetiandro miozolmana:
Andalana faha-49:
|'''Dikany'''
|<small>Andro voalohany</small>
|<small>Andro faharoafaha-2</small>
|<small>Andro fahatelofaha-3</small>
|<small>Andro fahefatrafah-4</small>
|<small>Andro fahadimyfaha-5</small>
|<small>Andro fivoriana</small>
|<small>Andro fitsaharana</small>
|}
 
== Fifandraisan'ny taona silamo sy ny taona gregoriana: ==
Inty ny raikipohy azo ampifandraisana ny taona miozolmana (m) sy ny taona gregoriana (g):
 
m(g) = (g − 621,5709) × 1,0306888.
 
g(m) = (m + 640,64616504):1,0306888.
 
Ny isa 1,0306888 dia tahan'ny halavan'ny taona manara-masoandro amin'ny halavan'ny taona manara-bolana.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Kor'any]]
* [[Finoana silamo]]