Tetiandro mozilmana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fandrefesana fotoana sy ny silamo
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 7 Septambra 2018 à 11:50

Ny tetiandro miozolmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny Volana amin’ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana ny tetiandro miozolmana. Fohy kokoa noho ny taona gregoriana na joliana ny taona miozolmana ka 11 andro ny elanelan'izy ireo. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana amin'ny fivavahana silamo ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny fizaran-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny tetiandro hebreo.

Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanadrify amin'ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'i Mohamady sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe Hiǧrah (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / at-taqwīm al-hijrī io tetiandro io amin'ny teny arabo.

Ireto avy ny anaram-bolana ao amin'ny tetiandro miozolmana:

  • Muḥarram (مُحَرَّم)
  • Safar (صفر)
  • Rabi' al Awal (ربيع الأوّل)
  • Rabi' ath-Thani (ربيع الثاني)
  • Jumada al Awwal (جُمَادَىٰ الْأَوَّل) na Jumada al ‘Ula (جُمَادَىٰ الْأُولَىٰ)
  • Jumada ath-Thania (جمادى الثاني) na Jumaada al-Akhir na Jumada al-Akhira (جمادى الآخر)
  • Rajab (رجب‎)
  • Sha'bane (شعبان)
  • Ramadan (رمضان)
  • Shawwal (شوّال)
  • Dhu al Qidah na Dhu'l-Qa'dah (ذو القعدة)
  • Dhu al-Hijja (ذو الحجة).

Ireto ny anaran'ny andro ao amin'ny tetiandro miozolmana (anaran'andro arabo):

Andro Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Asabotsy
Anarany (Yawm) al-Aḥad (Yawm) al-Ithnayn (Yawm) ath-Thulāthā’ (Yawm) al-Arba‘ā’ (Yawm) al-Khamīs (Yawm) al-Jum‘ah (Yawm) as-Sabt
Arabic الأحد الإثنين الثلاثاء الأربعاء الخميس الجمعة السبت
Dikany Andro voalohany Andro faharoa Andro fahatelo Andro fahefatra Andro fahadimy Andro fivoriana Andro fitsaharana