Sabata (jiosy): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny Jodaisma
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelina
Andalana faha-1:
Ny [[Sabata (jiosy)|Sabata]] izay atao hoe [[Sabata (jiosy)|Shabbat]] amin'ny teny hebreo dia andro fitsaharana izay mifanandrify amin'ny andro fahafito amin'ny herinandro jiosy, izany hoe ny [[Asabotsy]]. Araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly dia nasain'Andriamanitra notandreman'ny Zanak'i Israely ny andro Sabata.
 
Amin'izao ny andro Sabata dia manomboka amin'ny Zoma hariva -, 18 mn alohan'ny filentehan'ny masoandro ka mifarana amin'ny Asabotsy aorian'ny fisehoan'ny kintana telo antonontonony (40 mn eo ho eo aorian'ny filentehan'ny masoandro), izany hoe eo anelanelan'ny 25 ora sy 25 ora 30 mn arakaraka ny fizaran-taona.
 
Zava-dehibe indrindra ao amin'ny fivavahana jiosy ny andro Sabata ka hajain'ny Jiosy fatratra. Ny olona tsirairay dia tokony hampitsahatra na hampihena araka izay azo ato ny asa rehetra amin'ny andro Sabata mba hifantohany amin'ny fianakaviany sy ny ankohonany.
 
Ny fotoana fanampiny atao hoe ''osefet Shabbat'' alohan'ny filentehan'ny masoandro dia tsy voatery ho 18 mn ho an'ny toerana rehetra, ho an'ny toerana sasany dia maharitra 22 hatramin'ny 24 mn izany, ny ao Safed dia maharitra 30 mn, ny ao Jerosalem 40 mn. Ny ao Maale Adumim sy Petach Tikvah dia mitovy amin'i Jerosalema. Ny fanombohan'ny Sabata dia atao hoe ''Movaé ChabbatShabbat'' (מובאי שבת) ary ny fahataperany atao hoe ''Motsaé ChabbatShabbat'' (מוצאי שבת). Ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy]] no ahitana andalana mampanaja ny Sabata.
 
Andro tsy fiasana ara-panjakana ny andro Sabata ao amin'ny [[Israely|Fanjakan'i Israely]] ka mahazo ny trano fivarotana sy ny fitaterana izany. Maro ny teny manondro anaran'andro avy amin'io teny hebreo ''Shabbat'' io, isan'izany, na dia tsy amin'ny fomba mivantana aza, ny teny malagasy hoe ''Asabotsy'' izay mifanandrify aminy.
 
== Ny Sabata araka ny Baiboly ==
 
==== Ao amin'ny Testamenta Taloha ====
Voaresaka ao amin'ny ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] ao amin'ny [[Baiboly]] ny amin'ny Sabata: ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]], ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]], ao amin'ny [[Bokin'ny Deoteronomia|Deoteronomia]] ary ao amin'ny [[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]]. Hita ao amin'ireo [[Nevi'im|bokin'ny mpaminany]] sy ny [[Ketuvim|soratra hafa]] koa ny amin'ny Sabata.
 
<small>"2 Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. 3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy." (Gen. 2.2-3)</small>
Andalana faha-39:
 
* [[Tetiandro hebreo]]
*[[Herinandro]]
*[[Andro]]