Jordana (ony): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanalehibe sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy rohy
Andalana faha-1:
[[Sary:20100923 mer morte13.JPG|vignette|282x282px|''Ny ony Jordana tandrify ilay toerana fanaovana batisa ao Jordania'', noforonina tamin'ny 23 Septambra 2010]]
I '''Jordana''' dia ony ao AtsiananaAtsinanana Afovoany mirefy 360 km izay mipoitra avy ao amin’ny tendrombohitra Anti-Libanona sady avy avaratra mianatsimo ka mivarina any amin’i Ranomasina Maty. Mandavan-taona ny fikorianany no tsy miova firy koa ny habetsahan’ny rano entiny (salany : 32 m<sup>3</sup>/s) noho ny fisian’ny rano madinika mamatsy azy, dia i Iarmoka, izay mipoitra avy anaty vato sokay sy avy amina ranomandry. Ny lohasahany no iva indrindra eran-tany satria mahatakatra any amin’ny 421 m ambanin’ny ranomasina.
 
Tao amin'ny ony Jordana no nanaovan’i [[Jaona mpanao batisa|Joany]] batemy (na batisa) an’i [[Jesosy|Jesoa]], araka ny voasoratra ao amin’ny [[Filazantsara|Evanjely]] ao amin’ny [[Baiboly]] ary mbola misy toerana izay namboarina ao amin’ny fialan’i Jordana ny farihy Tiberiasy (na Tiberiada na Galilia) hanaovana batisa ireo Kristiana mpanao [[fivahiniana masina]].
Andalana faha-11:
=== Ny lalana alehany ===
[[Sary:JordanRiver en.svg|vignette|Ny toerana misy ny Ony Jordana|365x365px]]
Renirano madinika efatra avy ao amin’ny tendrombohitr’i Hermona (hebreo : הר חרמון, ''Har Hermon'') no mamorona an’i Jordana. Ny sampan’i Baniasy (Arabo: بانياس / ''Banias'') sy i Hasbany (Arabo: الحاصباني / ''Hasbani'', hebreo: חצבני‬ / ''Hatzbani'') no lehibe indrindra amin’izy ireo. Miditra ao Israely i Jordana ka mamakivaky ny farihin-konahona avy ao amin’ny Lohasahan'i Hola (hebreo: עמק החולה‬ /''Emek Ha-Ḥula'') (2 m ny hahavony miohatra amin’ny ranomasina) vokatry ny fisiana tohadrano vato voa-janahary ; avy eo dia miditra amina lalan-tery mankany amin’ny [[Farihy Tiberiada|farihin’i Tiberiada]] (na Tiberiasy) (grika: ''Τιβεριάς'' / ''Tiberias'') izay any amin’ny 17 km any ambany. Ny farihin’i Tiberiada dia fantatra amin’ny anarana hoe ranomasin’i Galilia (na Galilea) na ranomasin’i Genesareta (hebreo : ים כנרת / ''Kinneret;'' grika: ''λίμνη Γεννησαρέτ'' / ''limnē Gennēsaret''). Ny farihin’i Tiberiada izay eo amin’ny 208 m ambanin’ny ranomasina dia efa mahazo masirasira kely. Eo anelanelan’ny 42 sy 48 m ny halaliny.
 
Any ambanin’ny farihy i Jordana dia mahazo rano avy amin’i Iarmoka (hebreo : נהר הירמוך‎ / ''Nahar HaYarmukh'' "reniranon’i Yarmukh") izay mitovitovy habetsaka aminy sady manasaraka an’i Siria amin’i Jordania. Mitondra ny rano miangona avy amin’ny ilany andrefan’ny Jebela Droza (arabo: جبل الدروز‎/ ''jabal ad-durūz'', ''"Tendrombohitry ny Droza''") i Iarmoka. Mirefy 320 km i Jordana avy eo amin’ny farihy Tiberiasy hatrany amin’i Ranomasina Maty (יָם הַמֶּלַח‬ / ''Yam ha-Melah'' "ranomasin-tsira") noho ny fiolakolahany eo ambony lemak’i Zora (Zor) sy ao amin’i Gora (Ghor), nefa raha atao lala-mahitsy izany dia 109 km fotsiny. Misy harambato roa mizara ny lohasaha ho roa : ny lempon’i Baisana (Baisan) ao avaratra sy ny lempon’i Jeriko (Jericho) ao atsimo. Mahazo rano ao an-kaviany avy amin’ny oeda izay mivarina avy amin’ny kitohatoha-baton’i Transjordania sady misintona rano avy amin’ny tangorontendrombohitr’i Ajlona (arabo: عجلون‎ / ''‘Ajlūn'') izy avy eo mivarina any amin’i Ranomasina Maty izay 392 m ambanin’ny ranomasina.