Teôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
Ny [[teolojia]] dia taranja na vondron-taranja atao hianarana sy hahalalana ny amin'Andramanitra, na ny amin'ny hoe "andriamanitra", amin'ny alalan'ny fandraisan'anjaran'ny fisainan'olombelona ho enti-manazava sy handaminana bebe kokoa izay zavatra fantatra tamin'ny alalan'ny [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràna]] ka miantefa amin'ny finoana.
 
Na dia tao amin'ny [[Fivavahana kristianna|fivavahana kristiana]] aza no tena nahafantarana ny fanaovana teolojia dia maro koa ireo fivavahana manao telojia ka isan'izany ny fivavahana [[silamo]] sy ny [[jodaisma]]. Tsy ny tontolon'ny fivavahana ihany no ahitana teolojia fa ahitana azy koa ny taranja [[Filôzôfia|filozofia]] toy ny sampan-taranja [[metafizika]] (dia ilay atao hoe onto-teolojia). Tsy ny finoana rehetra koa tsy akory no manaiky ny fanaovana teolojia fa misy ny ireo izay mitsipaka an'izany ka mihevitra fa tsy mety hifangaro amin'ny zavatra momba ny finoana na hanampy zavatra hafa tsy araka ny fanambaràna tokony hiantefa amin'ny finoana ny teolojia. Amin'izao fotoana izao dia maro ny sekoly sy oniversite ianarana teolojia nefa ny sasany dia tsy miankina amina antokom-pivavahana ka ny mpianatra sy ny mpampianatra ao dia tsy voatery ho olona mino.
 
Fomba fiasa voasaina<ref name=":0"><small>''Voasaina'': fr: "rationnel"</small></ref> no entina manao ny fanakarana ny momba an'Andriamanitra sy ny manodidina azy hany ka nisy fotoana tsy niaingan'ny mpanao teolojia tamin'ny Soratra Masina, izay vokatry ny fanambaràna, hanakarana ny tontolon'Andriamanitra fa tamin'ny fisainany irery ihany.
Andalana faha-37:
 
Ny Motazilita kosa dia manantitrantitra moba ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra fa manana sitrapo malalaka ambonin'ny fanendrena mialoha ny olombelona, ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia amnbony noho ny maha tsy toha azy. Mino koa ny Motazilita fa afaka anakarana ny zavatra tian'ny [[Kor'any]] holazaina marina ny fampiasana ny lojika. Izany no fototry ilay atao hoe اِجْتِ / Ijtihâd ("ezaka fandinihana").
 
== Jereo koa: ==
 
* Eskatolojia
* Soteriolojia
* Kristolojia
* Pneomatolojia
 
== Loharano sy fanamarihana ==