Teôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-32:
 
==== Ny teolojia miozolmana ====
Ny teolojia miozolmana dia misahana ny fandalinana ny finoana silamo araka ireo sorara ao amin'ny [[Kor'any]] sy ny Hadita ary ny tantaram-piainan'ny mpaminany mihamady. Atao hoe Kalâm ny taranja ikarohana ireo fototra teolojika amin'ny alalan'ny fomba fiasa amin'ny alalana fampiadian-kevitra sy fanohanan-kevitra voasaina<ref name=":0" />. Amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] dia midika hoe "resaka" na "fitenenana" ny hoe ''Kalâm''. Ao amin'ny teolojia silamo koa dia mitana ny anjara toerany ny eskatolojia izay miresaka momba ny fiafaran'ny olombelona sy izao rehetra izao sy ny tontolo vaovao handimby azy, ny [[Fitsarana farany|fitsaran'Andriamanitra farany]] ny asan'ny olombelona aorian'ny fitsanganana amin'ny maty.
 
Amin'ireo Sonita dia fito ny fototry ny finoana, dia ny finoana an'i Allah, ny anjely, ny Soratra nambaran'Andriamanitra, dia ny Kor'any, ny mpaminany, ny andro farany, ny fanedrena mialoha. Ho an'ireo Shiita kosa dia dimy fitsiny izany, dia ny maha tokana an'Andriamantra, ny fahamarinana, ny faminaniana, ny asan'ny imam ary ny momba ny andro farany ([[eskatolojia]]).
 
Ny Motazilita kosa dia manantitrantitra moba ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra fa manana sitrapo malalaka ambonin'ny fanendrena mialoha ny olombelona, ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia amnbony noho ny maha tsy toha azy. Mino koa ny Motazilita fa afaka anakarana ny zavatra tian'ny [[Kor'any]] holazaina marina ny fampiasana ny lojika. Izany no fototry ilay atao hoe اِجْتِ / Ijtihâd ("ezaka fandinihana").