Kônsily: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[konsily|konsily,]] izay atao hoe koe [[Konsily|sinoda]], dia fivoriam-ben'ny eveka izay anapahana ny tenim-pionoana sy ny foto-pampianarana ary ny fitsipi-pifehezana hiainan'ny Fiangonana. Ny [[Apostoly]] no heverina fa nanao konsily voalohany tany Jerosalema. Tsy isaina ao amin'ny filaharan'ny konsily io fivorian'ny Apostoly io. Ny emperora no nampiantso konsily, avy eo ny Papa. Ny Konsily voalohany tao Nikea no konsily voalohany teo amin'ny Fiangonana taorian'ny andron'ny Apostoly. Manam-pahefana amin'ny Fiangonana ny zavatra tapata amin'ny konsily. Nefa misy konsily sasany izay tsy eken'ny fiangonana sasany aorian'ireo fivakisan'ny Fiangonana teo amin'ny tantara. Ny [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]] sy ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]] dia tsy manaiky afa-tsy ny fahefan'ny konsily efatra volohany, ny [[Kristianisma ortodoksa|Fiangonana ortodoksa]] ny valo voalohany, ary ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]] dia manaiky ny fahefan'ny konsily miisa roapolo.
 
=== Ny konsily efatra voalohany ===
Ireto konsily efatra ireto dia eken'ny Fiangonana katolika sy ortodoksa sy protestanta.
 
Andalana faha-16:
Ny Konsily tao Kalkedona no nanambaràna ny fananan'i Jesosy fomba (na natiotra) roa, dia natioran'Andriamanitra sy natioran'olombelona. Io no konsily fahefatra. Izy no nanoherana an'i Eotikesy, izay nampianatra fa nifangaro ka tsy azo avahana ao amin'ny natioran'Andriamanitra ny natioran'olombelona ao amin'i Kristy. Heverin'ny tao amin'ny konsily ho fampianaran-diso izany fampianarana izany izay atao hoe ''monofizisma''.
 
=== Ireo konsily efatra manaraka ===
 
==== Ny Konsily faharoa tao Konstantinopoly (taona 553) ====
Andalana faha-29:
==== Ny Konsily fahefatra tao Konstantinopoly (taona 869 sy 870) ====
Ny Konsily fahefatra tao Konstantipopoly no nampisaraka ny Fiangonan'i Roma sy ny Foangonan'i Konstantinopoly. Io no konsily fahavalo. Nitsipaka ny fanovanana ny ny hoe ''Filioque'' amin'ny Fanekem-pinoana nikeana izany konsily izany. Ny Fiangonan'i Roma dia nino fa mivoaka amin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina fa ny Fiangonan'i Konstantinopoly kosa tsy nanaiky an'izany fa nanamafy ny fivoahan'ny Fanahy Masina amin'ny Ray irery ihany.
 
=== Ny konsily roa ambin'ny folo taorian'ny taona 1054 ===
Ireto avy izy ireo:
 
* ny Konsily voalohany tao Latrana (1123);
* ny Konsily faharia tao Latrana (1139);
* ny Konsily fahatelo tao Latrana (1179);
* ny Konsily fahefatra tao Latrana (1215);
* ny Konsily voaohany tao Liona (1245);
* ny Konsily faharoa tao Liona (1274);
* ny Konsily tao Viena (1311-1312);
* ny Konsily tao Konstatia (1414-1418);
* ny Konsily tao Bala-Ferare- Florentia (1431-1445);
* ny Konsily fahadimy tao Latrana (1512-1517).