Teôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy loharano sy fanamarihana
Andalana faha-9:
 
== Ny ''theologia'' teo amin'ireo filozofa grika ==
Ny teny grika hoe θεολογία dia nampiasain'i Plato amin'ny dikany ara-bakiteny hoe "resaka momba ny andriamanitra" na "resaka momba an'Andriamanitra" tamin'ny taonjato faha-4 tal. J.K. tao amin'ny asa soratra nataony, ao amin'ny Boky faha-2 toko faha-18<ref><small>Liddell and Scott's ''[http://www.perseus.tufts.edu/cgi-bin/ptext?doc=Perseus%3Atext%3A1999.04.0057;query=entry%3D%2348216;layout=;loc=qeolo%2Fgia1 Greek-English Lexicon]''</small></ref>, mitondra ny lohateny hoe ''Πολιτεία'' / ''politeía'' na ''Πολιτεία'' / ''politeía'' ("fitondram-pirenena") izay nadika amin'ny teny latina hoe ''Res Publica'' ("zava-bahoaka") sady fantatra koa amin'ny teny frantsy hoe ''La République'' na amin'ny teny anglisy hoe ''The Republic.'' Ao amin'io toko io i Ptlato dia nizara ny filozofia ho taranja telo izay nomeny ny anarana hoe μαθηματικὴ / ''mathêmatikê'' sy φυσική / ''phusikê'' ary θεολογκιή / ''theologike'', ka ity farany ity no mitovitovy amin'ny metafizika izay iresahana koa momba ny toetran'Andriamanitra na ireo andriamanitra<ref><small>Aristotle, [http://etext.library.adelaide.edu.au/mirror/classics.mit.edu/Aristotle/metaphysics.6.vi.html ''Metaphysics'', Book Epsilon]. ([https://web.archive.org/web/20080216173401/http://etext.library.adelaide.edu.au/mirror/classics.mit.edu/Aristotle/metaphysics.6.vi.html Tahiry]).</small></ref>.
 
Raha nanoratra araka ny loharano avy amin'ireo filozofa Stoika i Marcus Terentius Varro (mpanoratra latina), dia nanavaka karazana lahateny telo, dia ny lahateny momba ny anganon'ireo andriamanitry ny Grika, ny lahateny voasaina ara-pilozofia andinihana ireo andriamanitra sy ny amin'izao rehetra izao, ary lahateny momba ny fanaon'ny olombelona eo amin'ny fiarahamonina toy ny fombafomba sy ny adidy ary ny fitandremana ny zavatra andidian'ny fivavahana<ref><small>Araka ny tsiahy ataon'i Aogostino ao amin'ny sorany mitondra ny lohateny hoe ''Tanàn'Andriamanitra'', Boky hafa-6, toko faha-5.</small></ref>.
 
== Ny teolojia eo amin'ny isam-pivavahana ==