Teôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fivavahana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
Ny [[teolojia]] dia taranja na vondron-taranja atao hianarana sy hahalalana ny amin'Andramantritra na ny amin'ny hoe "andriamanitra" amin'ny alalan'ny fandraisan'anjaran'ny fisainan'olombelona ho enti-manazava sy handaminana bebe kokoa izay zavatra fantatra tamin'ny alalan'ny [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràna]] sy miantefa amin'ny finoana. Na dia tao amin'ny [[Fivavahana kristianna|fivavahana kristiana]] aza no tena nahafantarana ny fanaovana teolojia dia maro koa ireo fivavahana manao telojia ka isan'izany ny fivavahana [[silamo]] sy ny [[jodaisma]]. Tsy ny tontolon'ny fivavahana ihany no ahitana teolojia fa ahitana azy koa ny taranja filozofia toy ny sampan-taranja metafizika. Tsy ny finoana rehetra koa tsy akory no manaiky ny fanaovana teolojia fa misy ny ireo izay mitsipaka an'izany ka mihevitra fa tsy mety hifangaro amin'ny zavatra momba ny finoana na hanampy zavatra hafa tsy araka ny fanambaràna tokony hiantefa amin'ny finoana ny teolojia. Amin'izao fotoana izao dia maro ny sekoly sy oniversite ianarana teolojia nefa tsy miankina amina antokom-pivavahana ka ny mpianatra sy ny mpampianatra ao dia tsy voatery ho olona mino.