Nôa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanao fanitsiana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipeina sy rohy
Andalana faha-21:
* Nitory teny nandritra ny 950 taona teo anivon'ny vahoakany tamim-paharetana i Noa (Kor'any 29.14) nefa olona vitsy no nanaraka azy ka ny ankamaroan'ireo dia olona mahantra. Nilaza taminy i Allah fa tsy hisy olona hafa intsony hanaraka azy. Ny ankamaroan'ny olona izay mpanompo sampy sy andriamanitra maro dia nihevitra azy ho mpandainga (Kor'any 11.36).
* Nanamboatra ny sambofiara (ar.: ''fulk'') i Noa araka ny baiko sy ny toromarika nomen'Andriamanitra (Kor'any 11.38-40) nefa ireo lehiben'ny tanàna dia nihomehy azy. Noho izany dia nampandevezin'Andriamanitra ny lafaoro ka niondrana tao amin'ilay sambofiara i Noa sy ny mpivady amin'ny zavatra rehetra sy ny ankohonany, afa-tsy ilay zanany voaozona, ary mpino vitsivitsy. Tsy fianakaviana akaikin'i Noa avokoa ireo olona tafiditra tao amin'ny sambofiara fa ny olona rehetra mino an'Andriamanitra (Kor'any 11.40).
* Nisy tamin'ireo havany izay maty tao amin'ny tondra-drano. Tsy nanaraka azy ny vadiny (sahala amin'ny vadin'i [[Lota]] nandritra ny fandravan'Andriamanitra an'i [[Sodoma]] sy [[Gomora]]) (Kor'any 6.10). Ny iray tamin'ireo zanaka lahin'i Noa dia tsy nety niondrana tamin'ny sambofiara fa nitady fialofana teny amin'ny tendrombohitra nefa natelin'ny rano satria tsy zanany ara-panahy izy fa naman'ireo izay nandà an'Andriamanitra (Kor'any 11.44-46).
 
* Teo amin'ny tendrombohitraTendrombohitra JodyJōdȳ (ar.: جبل جودي / Jebel Ǧūdī), izay mety ho teo amin'ny tangoron-tendrombohitra Ararata no nipetrahan'ilay sambofiara tamin'ny farany. miresaka ny amin'ny onjan-drano lehibe toy ny tendromboihitra ny Kor'any (Kor'any 69.11-12).
* Ny tantara momba ny fahamamoan'i Noa dia tsy hita ao amin'ny Kor'any ary inoan'ny mpino silamo fa voaaron'Andriavanitra amin'ny fahavamoana izy.