Nôa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Namafa sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanao fanitsiana
Andalana faha-14:
Indray andro dia mamon-divay i Noa ka hitan'i Hama ny fitanjahany nefa tsy nanao afa-tsy ny nilaza izany tamin'ireo rahalahiny izy ka ireto no nampitafy an-drain'izy ireo. Rehefa nisava ny hamamoan'i Noa dia nanozona izy ka nanambara fa ho andevon'i Sema sy i Jafeta i Kanana zanak'i Hama.
 
== ITantaran'i Noa araka ny finoana silamoKor'any ==
Ao amin'ny finoana silamo dia atao amin'ny teny arabo hoe نوح / Nûh i Noa sady isan'ny mpaminany nataon'Andriamanitra ho irany tety ambonin'ny tany tamin'ny alalan'ny fanambaràna (ar.: Risala "iraka", "mpitondra hafatra"). Ny toko faha-71 ao amin'ny Kor'any dia mitondra ny anarany sady itantarana ny toriteny izay nataony tamin'ireo mpiara-belona taminy mba hanaiky ny didin'Andriamanitra tokana. Nitory ny tenin'Andriamanitra ilay Tokana tamin'ireo mpanompo sampy izy (Kor'any 71.23). Ao amin'io sorata io dia voatanisa ny anaran'ireo andriamanitry ny mpanompo sampy nivavahan'ny vahoakany, dia i Oda (ar.: ''Wudd''), i Soa (ar.: ''Souwa'â''), i Iagota (ar.: ''Yaghuth''), i Iaoka (ar.: ''Ya'â'uq'') ary i Nasra (ar.: ''Nasr'').