Fiangonana katôlika tatsinanana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny kristianisma
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
Ny [[Fiangonana katolika tatsinanana]] dia fitambaran'ireo fiangonana any Atsinanana izay miombona amin'i Papa ao Roma sy manaiky ny fahamboniany, nefa izy ireo manao ny fombam-pivavahana tatsinanana (kopta, siriaka tandrefana, maronita, siriaka tatsinanana, bizantina, armeniana ary gezy). Atao hoe "Fiangonana mizaka tena" na "Fiangonana manana ny lalànany manokana" (latina: ''sui iuris'') izy ireo ao amin'ny voambolana katolika, nefa heverina fa Fiangonana katolika feno sahala amin'ny Fiangonana latina. Na dia samy tatsinanana aza dia tsy [[Fiangonana ortodoksa tatsinanana|Fiangonana ortodoksa]] izy ireo. Atao hoe "Fiangonana oniata" na "Fiangonana grika katolika" na "Fiangonana katoika manaraka fomba bizantina" koa izy ireo. Raha ny lafiny fombafombam-pivavahana dia tsy mifanalavitra firy amin'ny fomban'ny [[Kristianisma ortodoksa]] an'ny Fiangonana katolika tatsinanana ka izy manaiky ny fahambonian'ny Papa ihany no tsy maha Ortodoksa azy ireo.
 
Isan'ny Fiangonana katolika tatsinana ny Fiangonana katlika maronita, kopta, armeniana, indiana, grika, eritreana ary etiopiana. Tsy any Atsinana sy ao Eoropa Atsinanana ihany no ahitana azy ireo fa nanaraka ireo am-pielezana ka misy any Amerika sy Oseania ary Eoropa Andrefana koa.