Petera: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-11:
 
Ny tranon'ny fianakaviany dia mety natao fototra niaingan'ny asa nataon'i [[Jesosy]] (Mar. 1.29-39). Nanapa-kevitra nandao ny fianakaviany sy ny ankohonany i Petera sy i Andrea rahalahiny mba hanaraka an'i Jesosy rehefa niatso azy ireo hanaraka azy i Jesosy (Mat. 4.18) sady nanome an'i Simona ny anarana hoe ''Kephas'' (Joa. 1.42; Mar. 3.16; Lio. 6.14; Mat. 16.18). Tsy mifanaraka ny Evanjely ny amin'ny zava-niseho niteraka io fanomezana anarana io<ref><small>Pierre Debergé, ''Saint Pierre'', Éditions de l'Atelier, 2003, <abbr>p.</abbr> 13</small></ref>. Amin'ireo mpianatra roa ambin'ny folo dia i Petera no voaresaka voalohany (Mar. 3.16; Asa 1.13). Matetika i Jaona sy i Paoly dia miaiky ny lanjan'i Petera, nefa ny Evanjelin'i Jaona dia miresaka voalohany an'i Andrea rahalahiny. I Simona Petera dia nanambara ny finoany tamin'ny anaran'ireo apostoly ny amin'ny maha Kristy an'i Jesosy (Mar. 8.29). Teo no nanomezan'i Jesosy azy ny anarana hoe Petera (Mat. 16.18-19).
[[Sary:Saint Pierre tentant de marcher sur les eaux by François Boucher.jpg|vignette|''I'' ''Petera manandrana mendeha eo ambony rano,'' François Boucher, taona 1766.]]
 
I Petera dia nanatrika sady nandray anjara tamin'ny fanatanterahana fahagagana sy tamin'ireo zava-niseho manan-danja indrindra teo amin'ny fiainan'i [[Jesosy]], ohatra ny fandehanan'i Jesosy teny ambony rano (Mat. 14.28-31), ny fiovan-tarehy teo an-tendrombohitra, ny fisamborana an'i Jesosy, ny fitsarana azy ary ny fampijaliana azy. Araka ireo Evanjely dia lehilahy mafana fo sy entim-po i Petera, nefa indraindray koa dia be fisalasalana sy manao diso koa izy, nandao an'i Jesosy izy tamin'ny fotoana niatrehan'i Jesosy fijaliana na dia teo aza ny fahatokisana izay nasehon'i Petera talohan'io (Mar. 14.29). Nanenina mafy izy tamin'ny nandavany an'i Jesosy (Mar. 14.72).
[[Sary:Karel Dujardin - Denial of Peter.jpg|vignette|''Ny fandavan'i Petera an'i Jesosy,'' Karel Dujardin - taonjato faha-17.]]
Andalana faha-43:
 
=== Ireo soratra apokrifa ===
[[Sary:Caravaggio - Martirio di San Pietro.jpg|vignette|''Fanomboana an'i masindahy Piera,'' nataon'i Caravaggio, taona 1600-1601.]]
Maro dia maro ireo [[Apokrifan'ny Baiboly|soratra apokrifa]] lazaina fa nisoratan'i Petera na miresaka ny aminy, nefa tsy noraisin'ny Fiangonana kristiana ho isan'ny kanonan'ny Baiboly, dia ireto: