Petera: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-13:
 
I Petera dia nanatrika sady nandray anjara tamin'ny fanatanterahana fahagagana sy tamin'ireo zava-niseho manan-danja indrindra teo amin'ny fiainan'i [[Jesosy]], ohatra ny fandehanan'i Jesosy teny ambony rano (Mat. 14.28-31), ny fiovan-tarehy teo an-tendrombohitra, ny fisamborana an'i Jesosy, ny fitsarana azy ary ny fampijaliana azy. Araka ireo Evanjely dia lehilahy mafana fo sy entim-po i Petera, nefa indraindray koa dia be fisalasalana sy manao diso koa izy, nandao an'i Jesosy izy tamin'ny fotoana niatrehan'i Jesosy fijaliana na dia teo aza ny fahatokisana izay nasehon'i Petera talohan'io (Mar. 14.29). Nanenina mafy izy tamin'ny nandavany an'i Jesosy (Mar. 14.72).
[[Sary:Karel Dujardin - Denial of Peter.jpg|vignette|''Ny fandavan'i Petera an'i Jesosy,'' Karel Dujardin - taonjato faha-17.]]
 
Araka ny voalazan'ilay mpahay tantara atao hoe Simon Mimouni, "nisy fifanoherana niseho teo amin'i Jesosy sy i Petera", ohatra amin'izany ny fandavan'i Petera an'i Jesosy izay teterin'ireo Evanjely efatra sy ny amin'ny nanaovan'i Jesosy azy hoe "Any ivohiko, ry Satana" (Mar. 8.33; Mat. 15.23) izay teny mafy tokoa<ref name=":0"><small>Simon Claude Mimouni et Pierre Maraval, ''Le christianisme des origines à Constantin'', Paris, éd. P.U.F., 2006, <abbr>p.</abbr> 177.</small></ref>.