Fiangonana Ôrtôdôksa eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nandamina sy namafa soratra tsy ilaina (fitanisana ireo renivohi-piangonana orto eran-tany).
Andalana faha-1:
Ny [[Fiangonana Ortodoksa eto Madagasikara|Fiangonana Ortôdôksa eto Madagasikara]] dia fiangonana kristiana miorina eto Madagasikara izay isan'ny Fiangonana tatsinanana efa tafasaraka tamin'ny [[Fiangonana Katolika]] tany aloha. Mino ny [[Trinite]] ny Ortôdôksa. Isan'ny [[Fiangonana ortodoksa tandrefana|Fiangonana ôrtôdôksa tandrefana]] izy sady fehin'ny [[Fiangonana Ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo|Fiangonana Ôrtodôksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo]].
 
== Tantarany ==
== Tantaran'ny Fiangonana Ortodoksa eto Madagasikara ==
Efa tany amin'ny taon-jato faha-19 tany ho any no tonga teto Madagasikara ny finoana ortôdôksa. Tamin'izany anefa, mbola tsy nisy Malagasy ortôdôksa fa ireo Grika sy Bolgara ary Rosiana no mpino ortôdôksa teto. Tsara ho marihina anefa fa tsy nisy pretra tamin'izy ireo fa samy kristianina tsotra avokoa.
 
==== Ondry tsy misy mpiahy ====
 
Ny taona 1928, natsangana ho archidiocèse i Johannesburg (Afrika atsimo) ary nampidirina tao anatin'izany i Madakasikara. Araka izany, naniraka pretra ho aty Madagasikara ny archevêché tao Johannesburg mba hanentana sy hanome vatsim-panahy ny kristianina ortôdôksa. Nefa tsy naharitra ny fitsidihana nataony teto.
Andalana faha-14:
Ny taona 1966 dia nandefa pretra iray tompon-toerana teto Madagasikara ny archevêché tany Johannesburg. Roa taona monja anefa no niasan'io pretra io dia nody izy. Nanomboka ny taona 1968 dia tsy nanana pretra ny kristianina ortôdôksa teto Madagasikara. Taona vitsy taorian'io anefa dia natsangana ho archevêché i Zimbabwe (miray amin'ny Patriarkat tany Aleksandria) ary nafindra tao indray i Madagasikara. Na dia nitambatra tao amin'ny archevêché-n'ny Zimbabwe aza i Madagasikara dia mbola tsy nahazo pretra ihany.
 
==== Ny mazava atsinanana ====
 
Ny taona 1994, nisy pretra aostralianina iray tonga handany fotoam-pialan-tsasatra eto Madagasikara no nahita ny fiangonana tao Behoririka (Antananarivo) sy ny kristianina nivavaka tsy nisy pretra. Vokatr'izany, nalahelo mafy ity pretra aostralianina ity ka naniry ny ho misiônera aty Madagasikara. Ny volana Jolay 1994, nivaly ny faniriany. Iray volana monja taorian'io anefa dia efa nisy kristianina malagasy telo lahy niroso hatao batemy tao amin'ny fiangonana "la Dormition de la Mère de Dieu" (31/08/94). Izy telo lahy ireo kosa no tonga pretra malagasy voalohany ary nohamasinina ny volana Martsa 1995 tany Zimbabwe.
Andalana faha-22:
Ny 10 Mey 1999 no neken'ny fanjakana malagasy ho ara-dalàna teto Madagasikara ny fijoroan'ny fiangonana ortôdôksa na dia efa niforona tamin'ny 1930 aza.
 
==== Ireo solofo dimbin'ny ala: Pretra, Seminarista ary Masera malagasy ortôdôksa ====
 
Ankehitriny dia efa miisa 54 eo ireo paroasy ortôdôksa izay mitsinjara amin'ny vicariats telo eto Madagasikara dia vicariat Toliara, vicariat Fianarantsoa ary vicariat Antananarivo. Misy 12 ireo pretra malagasy, "sous-diacre" iray ary seminarista 7 izay samy any ivelan'i Madagasikara avokoa.
Andalana faha-32:
Raha amin'ny fanabeazana dia mandray anjara feno ny fiangonana ôrtôdôksa eto Madagasikara. Manana sekoly fanabeazana fototra 9 sy sekoly fiofanana amin'ny asa (technique) iray any Toliara ny fiangonana. Tsiahivina koa fa manana hôpitaly iray eto Madagasikara ny fiangonana ôrtôdôksa.
 
Ankehitriny dia efa lasa archevêché i Madagasikara ary miaraka aminy ny Nosy La Réunion sy Maurice. Samy mivondrona ao amin'ny patriarcat-n'ny AlexandrieAleksandria ireo, izay tantanan'ny patriarche Théodore.
 
Manana patriarche 9 maneran-tany ny finoana ortôdôksa ka ny ao Constantinople no lehiben'izy ireo:
 
# Patriarche œcuménique (Constantinople) i Barthélemy I<sup>er</sup>
# Patriarche any Alexandrie i Théodore
# Patriarche any Antioche i Ignace IV
# Patriarche any Jérusalem i Irénée
# Patriarche any Russie i Alexis II
# Patriarche any Serbie i Paul
# Patriarche any Roumanie i Théoctisto
# Patriarche any Bulgarie i Maxime
# Patriarche any Georgie i Elias II
 
Fr. Roger a.a.
 
== Jereo koa ==