Boky fahefatry ny Makabeo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-1:
Ny '''Boky fahefatry ny Makabeo''' dia boky ao amin’ny [[Baiboly ortodoksa]] an'ny fiangonana any [[Jeorjia]] nefa tsy hita ao amin’ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] (Tanakh) na ny [[Baiboly katolika]] sy [[Baiboly protestanta|protestanta]] izay manasokajy azy ho [[Boky apokrifa|apokrifa]] na pseodepigrafa. Mamelabelatra ny lohahevitry ny fanajana ny Lalàna izay manampy ny saina hifehy ny fihetseham-po io boky io. Derainy ny fahafatesan’ireo nanao sorona ny ainy voatantara ao amin’ny [[Boky faharoan'ny Makabeo]]. Ny faha maritiora dia endrikyendrika isehoan'ny saina izayeritreritra mifehy ny fihetseham-po tsy voasaina.
 
Voaresak'ity boky ity ny fotoana nanombohan’ny fanenjehana ny Jiosy nataon’ny mpanjakan’i Siria, dia i Antiokosy Epifanesy, nefa tsy miresaka ny amin’ny fanoherana nataon’ireo [[Makabeo]] izy. Lohahevi-dehiben’ny boky ny fijalian’ny maritiora izay lazainy fa misolo ny fanompoana tokony hataon’ny firenena jiosy iray manontolo handiovana ny fahotany. Miezaka mampifandrinda ny foto-kevitra platonisiana sy stoisiana amin’ny Lalàna jiosy ity boky ity mba hanehoany fa mifanojo ny fivavahana jiosy sy ny [[Filôzôfia|filozofia]] helenista.