Epistilin' i Jeremia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra kely
Andalana faha-1:
Ny [[Epistilin'i Jeremia]] na [[Epistilin'i Jeremia|Epistolan'i Jeremia]] na [[Epistilin'i Jeremia|Taratasin'i Jeremia]] dia boky misy ny taratasy lazaina fa nosoratan'ny mpaminany [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] sy nalefany tany amin'ireo Jiosy babo izay hataon'ny mpanjaka Nebokadnetsara sesitany any Babilona -, mba hanambara amin'izy ireo ny zavatra tian'Andriamanitra ho lazaina amin'izy ireo. Tsy hita ao amin'ny kanonan'ny Baiboly hebreo (na [[Tanakh]]) io boky io. Hita ao amin'ny dikan-tenin'ny [[Testamenta Taloha]] amin'ny teny grika atao hoe [[Septoaginta]] (na Septanta) sy ny [[Baiboly ortodoksa]] izy nefa tsy mifangaro amin'ireo boky kanonika fa mahaleo tena. Toko faha-6 ao amin'ny [[Bokin'i Baroka]] izy ao amin'ny dikan-tninntenin'ny Baiboly amin'ny teny latina atao hoe [[Volgata]] izay isan'ireo [[boky deoterokanonika]] ao amin'ny [[Baiboly katolika]].
 
Ity taratasy ity dia fikizahana ireo sampy sy fanompoan-tsampy. Ny boky dia nosoratana mba hanoro lalana ny Jiosy mba tsy hivavaka amin'ny andriamanitry ny Babiloniana, fa hanompo an'Andriamanitra. Mampiomana ireo Hebreo any an-tsesitany ny mpanoratra fa ho babo mandritra ny taranaka fito mifandimby izy ireo, ary mandritra izany fotoanan izany dia hahita ny fanompoana ny sampy izy ireo. Tsy tokony hivavaka amin'ny sampy ny Hebreo fa zavatra nataon'olona izany ka tsy afaha miteny na mandre na miaro tena.
 
== Jereo koa: ==