Bokin' i Jôela: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-14:
Azo zaraina roa ny Bokin’i Joela:
 
==== Fibebahana marina amin'Andriamanitra no hahafaka ny loza (1.1 – 2.27) ====
Ny fizaràna voalohany, ny mpaminany dia manoritsoritra ny fanimbana nataon’ny haintany sy ny valala tao an-tanàna izay niteraka fisaonana sy fitalahoana. Nitaona ny vahoaka hifady hanina tao amin’ny tranon’i YahwehIahveh sy hivavaka amin’Andriamanitra mba hahataperan’ny loza. Fambara am-panoharana ny hahatongavan’ny Andron’i YahwehIahveh na ny Andron’ny fitsarana izany loza izany, hoy ilay mpaminany, ka fibebahana no hahavonjy azy ireo. Raha mibebaka izy ireo, hamono ny valala no sady hahatonga ny tany hahavokatra tahaka ny taloha ary hanao izay hahavoky ny vahoakany i YahwehIahveh. Amin’izay ny vahoaka hahalala fa eo afovoan’i Israely i YahwehIahveh.
 
==== Hotahina i Joda ary homelohina ireo fahavalony (3.1 – 4.21) ====
Ao amin’ny fizaràna faharoa dia miova ny fomba fijery. Tsy zavatra azo tsapain-tanana mivantana no voaresaka fa ny amin’ny fiafaran’izao tontolo izao izay anoritsoritan'ny boky ny hahatongavan’ny Andron’i YahwehIahveh sy ny tontolo vaovao. Maminany i Joela fa ho tonga ny fotoam-panafahana, izay hanaparitahan’Andriamanitra ny Fanahiny ho amin’ny nofo rehetra. Hisy famantarana eny amin’ny lanitra ary hanafika an’i Jerosalema ny firenena jentilisa izay hiangona ao amin’ny “lohasahan’i Josafata” dia ilay lohasaha hitsaran’i YahwehIahveh ny azy ireo. Rehefa afaka izany dia hahagaga ny fahavokaran’ny tany ao amin’i Palestina voaova. Hisy rano miboiboika hiditra ao amin’ny Tempoly, ao Joda sy ao Ziona vaovao.
 
== Jereo koa: ==