Samaritana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy moba ny mponina
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 20 Aogositra 2018 à 09:59

Ny Samaritana dia vahoaka monina ao Israely sy Sisjordania ka ao Samaria, tanàna ao amin'ny tapany avaratr'i Palestina, no tany nonenan'ireo razany izay nanjaka tao mandraka amin'ny taonjato faha-5. Tsy milaza ny tenany ho Jiosy izy ireo nefa mihevi-tena ho taranaky ny Israelita fahiny nonina tao amin'ny Fanjakan'i Avaratra tao Samaria. Misy ny Jiosy mihevitra azy ireo ho taranak'olona vahiny tsy Israelita. Na tamin'ny andro mifanandrify amin'ny zavatra tantaraina ao amin'ny Testamenta Vaovao dia navakavahan'ny Jiosy ny Samaritana. Ny Fanjakan'i Israely amin'izao fotoana izao anefa dia manao ny Samaritana ho Jiosy. Manana fivavahana mifanakaiky amin'ny fivavahana jiosy azy manokana, atao hoe samaritanisma, ny Samaritana, nefa ny bky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly ihany (atao hoe Pentateoka), fa tsy ny Baiboly hebreo manontolo, no ekeny ho Soratra Masina. manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny abidy samaritana izay tsy mitovy amin'ny abidy hebreo. Amin'izao fotoana izao dia misy ny Samaritana Israeliana sy Jordaniana ary Palestiniana. Vitsy an'isa izy ireo satria tamin'ny taona 2007 dia 796 no isany.

Samaritana mankalaza ny fetin'ny Tabernakely (Sokota) eo amin'ny tendrombohitra Gerizima.