Henôka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
[[Sary:Figures God took Enoch.jpg|vignette|''Nalain'Andriamanitra i Henoka,'' nataon'i Gerard Hoet, taona 1728.]]
I [[Henoka]] (na [[Henoka|Enoka]]) dia patriarka ao amin'ny [[Baiboly]], zanak'i Jareda (rain'i Matosalema sady rain'ny raiben'i [[Noa]]). Izy no patriarka fahafito amin'ny taranak'i Seta. Araka ny [[Bokin'ny Genesisy]] dia niaina 365 taona i Henoka teto ambonin'ny tany nefa tsy maty izy fa nakarina velona tany an-danitra sahala amin'i [[Elia]]. Nifandray akaiky amin'Andriamanitra izy satria voalaza ho "niara-nandeha tamin'Andriamanitra".
 
== Ny anaran'i Henoka ==
Andalana faha-8:
 
=== Araka ny Tanakh ===
Ao amin'ny [[Tanakh]] na ny [[Testamenta Taloha]] dia voalaza fa niakatra velona tany an-danitra i Henoka. Voasoratra ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy]] fa niara-nandeha tamin'Andriamanitra i Henoka (Gen. 5.21-24). Ny Genesisy dia milaza an'i Henoka ho ilay fahafito amin'ireo Patriarka fito niaina talohan'ny [[Safodrano]]. Mitantara ny Genesisy fa ireo Patriarka talohan'ny Safodrano dia samy niaina taonjato maro. Ny toko faha-5n'ny Genesisy dia manolotra tetiaran'olona folo (hatramin'i [[Adama]] ka hatramin'i [[Noa]]), izay milaza ny taona niterahan'ny tsirairay ny mpandimby azy, sady manome koa ny taona nahafatesan'izy ireo. Maro ny mihevitra fa i Henoka irery ihany no niavaka satria tsy nahita fahafatesana, sahala amin'ny voalaza ao amin'ny [[Epistily ho an'ny Hebreo|Epistilin'ny Hebreo]] (Heb. 11.5). Ankoatr'izany, ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]] (Gen. 5.22-29) dia misy filazana fa niaina 365 taona i Henoka. Fohy izany andro niainanay izany raha ampitahaina amin'ny an'ireo Patriarka hafa, izay niaina mihoatra ny 700 avy. Ao amin'ny Genesisy (Gen. 5.24) dia voalaza fa "ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra".
 
=== Araka ny boky apokrifa ===
Ao amin'ny Baiboky jiosy amin'ny fiteny grika atao hoe [[Septoaginta]] na Septanta no ahitana ireo boky sokajina hoe apokrifa. Ny mpandika teny tamin'ny taonjato faha-3 tal. J.K., mba handikany ilay fehezanteny hoe "nentin'Andriamanitra", dia nampiasa ny matoanteny hoe ''μετατίθημι'' / ''metatithemi'' izay midika hoe "mamindra avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana hafa".
 
Ny Bokin'i SirakaSiràka na [[Bokin'ny Ekleziastika|Ekleziastika]] (Sir. 44.16) dia milaza hoe:
 
"i Henoka dia nankasitrahan'Andriamanitra ka nafindra any am-paradisa mba haneho fibebahana ho an'ny firenena".

Na:
 
"Sitraky ny Tompo i Henôka ka nafindrany eo akaikiny; fakan-tahaka izy ho an'ny fibebahan'ireo taranaka mifandimby" (''Ny Baiboly Masina'').
 
Ny teny grika nampiasaina izay nogasina hoe ''paradisa'' dia ny hoe ''παράδεισος'' / ''paradeisos'' izay avy amin'ny teny persiana tranainy (''paridayda'') midika hoe "zaridaina" na "saha mifefy", ary nampiasain'ny [[Septoaginta]] hanoritsoritana ny saha [[Edena]]. Taty aoriana anefa dia nanjary nitovy hevitra amin'ny hoe ''Lanitra'' ilay teny, sahala amin'ny hita eto.
 
=== Araka ireo boky pseodepigrafa ===
Ligne 29 ⟶ 31 :
 
==== Araka ny ''Bokin'ny Olona Goavambe'' ====
Miresaka ny amin'i Henoka koa ny ''Bokin'ny Olona Goavambe'', izay boky apokrifa jiosy, asa soratra tamin'ny taonjato faha-3 tal. J.K. sady mitovitovy amin'ny [[Bokin'i Henoka]]. Hita niaraka amin'ny sorara maro hafa tao Komrana izany boky izany.
 
=== Araka ny lovatsofina na soratra hafa ===
Ao amin'ny soratr'ireo Raby (soratra atao hoe Kabàla) sy ny asa soratry ny mistika jiosy, dia voalaza fa nampita ny fanambaràn'Andriamanitra ny zava-miafina tamin'i [[Mosesy]] i Henoka.
 
Ny ''Targum Jonathan Genesis'' dia milaza fa nanao asa fanompoana teo anatrehan'Andriamanitra i Henoka ary natsahatra tamin'izany asany izany izy dia nampakarina any amin'ny habakabaka ka ao izy dia atao hoe Metatrona ilay mpanoratra lehibe. Ao amin'ny fivoasany ny ''Boky dimin'i Mosesy,'' i Menachem dia nanoratra fa nalain'ny Tompo i Henoka mba hampitoeriny eo anatrehan'ny Sezafiandrianan'ny Mpanjaka, eo anatrehan'ireo kodiaran'ny kalesiny, mba hanatanteraka ny anjara asa nampanaovin'ilay Avo Indrindra azy. Nentina tany an-danitra izy tanatin'ny kalesy notarihin-tsoavaly afo ary ny fidirany tany dia natrehin'Andriamanitra sy ny zava-manan'aina masina sy ny [[serafima]] sy ny ofanima sy ny [[kerobima]] ary ny kodiaran'ny kalesy.
 
== I Henoka eo amin'ny fivavahana kristiana ==
Izay voalaza ao momba an'i Henoka ao amin'ny Genesisy sy ny voalaza mazava ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] momba an'i Henoka dia eken'ny Fiangonana kristiana rehetra ary izay resahina ao amin'ny [[Bokin'ny Ekleziastika]] dia torak'izany koa ho an'ny Katolika sy ny Ortodoksa.
 
=== Araka ireo Apostoly sy ny kristiana tany aloha ===
Ligne 47 ⟶ 49 :
Ireo rain'ny fiangonana toa an'i Origena, sy i Masindahy Aogostino, sy i Masindahy ary ny mpanoratra h dia miresaka an'i Henoka sy ny [[Bokin'i Henoka]] nefa milaza fa tsy manampahefana io boky io.
 
I Jostino sy i Atenagorasy sy i Ireneo sy i Klemento avy any Aleksandria sy i Laktantio ary ny hafa koa dia nindrana hevitrhevitra avy amin'ny Bokin'i Henoka fa ny anjely dia niray ara-nofo tamin'ny zanakavavin'ny olombelona, izay niterahany ("ireo olona goavana tamin'ny andro taloha"). I Tertoliana dia miresaka matetika an'io boky io amim-piderana ary hoatry ny mandresy lahatra ny mpamaky azy amin'ny filazana fa notehirizin'i Noa nandritra ilayny Safodrano ilay boky.
 
Ny [[Rain'ny Fiangonana]] sasany, sahala amin'i Joany avy any Damaskosy, dia mihevitra an'i Henoka ho iray amin'ireo Olon-kendry telo ao amin'ny Apokalipsan'i Joany noho ny filazana fa tsy maty izy araka ny Genesisy 5.24.
Ligne 56 ⟶ 58 :
Tsy manao an'i Henoka ho olo-masina ny lovantsofin'ny Katolika Romana. Ankalazaina amin'ny 26 Jolay anefa izy ao amin'ny Fiangonana Apostolika Armeniana.
 
Hajaina i Henoka ao amin'ny Fiangonana Ortodoksa Etiopiana, ary ny saratra ao amin'ny [[Bokin'ny Jobily]] momba an'i Henoka sy ao ao amin'ny Boky voalohan'i Henoka dia boky faha-13 sy faha-14 ao amin'ny Kanonan'ny [[Testamenta Taloha]] teoahedo. Ny ankamaroan'ny fiangonana kristiana (Katolika sy Ortodoksa grika ary Protestanta) dia tsy manao an'ireo boky ireo ho filamatry ny finoana (kanonika).
 
==== Araka ny Olomasin'ny Andro Farany ====
Ho an'ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany|Olomasin'ny Andro Farany]], i Henoka no nanorina ny tanànan'i Ziona (na Siona) arakanyaraka ny ''Bokin'i Mosesy'' (Jereo [[Bokin'i Môrmôna]]), dia i Ziona izay nampakarina tany an-danitra noho ny fahamarinan'ireo izay nonina ao.
 
== Jereo koa: ==