Fanekem-pinoana nikeana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Nicaea icon.jpg|vignette|353x353px]]
Ny [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoan'i Nikea]] na [[Fanekem-pinoana nikeana]] na [[Fanekem-pinoana nikeana|Fiekem-pinoan'i Nisea]] na [[Fanekem-pinoana nikeana|Fiekem-pinoana niseana]] dia fanekem-pinoana na fanambaràm-pinoana kristiana tinapaka nandritra ny Konsily natao tao amin'ny tananan'i Nikea tamin'ny taona 325 izay notovanana nandritra ny Kosily tao Konstantinopoly tamin'ny taona 381 ka indraindray izy dia atao hoe '''Fanekem-pinoan'i Nikea-Konstantinopoly''' na '''Fanekem-pinoana nikeana-konstantinopolitana'''. Mizara fehezan-kevitra telo izy dia ny finoana an'Andriamanitra Ray sy ny finoana an'i Jesosy Kristy ary ny finoana ny Fanahy Masina. Σύμβολον τῆς πίστεως (Sumbolon tês Nikaias) na Σύμβολον τῆς πίστεως (Sumbolon tês pisteôs) no anaran'ilay fanekem-pinoana amin'ny teny grika fa ''Symbolum Nicaenum'' kosa amin'ny teny latina.
 
Manamafy ny maha Zanak'Andriamanitra sady ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy io fanekam-pinoana io. Hamafisiny koa ny maha Adriamanitra ny Fanahy Masina nefa tsy Andriamanitra maro izany fa [[Monoteisma|Andriamanitra tokana]]. Izany dia entina hamaritra ny finoana ny maha [[Trinite|Telo Izay Iray]] na [[Trinite]] an'Andriamanitra. Ny [[Fiangonana ortodoksa|Ortodoksa]] sy ny [[Fiangonana katolika|Katolika]] ary ny ankamaroan'ny [[Protestantisma|fiangonana protestanta]] na ireo fiangonana nipoitra avy aminy dia manaiky sy mampiasa io fanekem-pinoana io. Nisy fiovany izy taty aoriana tamin'ny nampidiran'ny Fiangonana Tandrefana ny hevitra hoe "nivoaka tamin'ny Zanaka koa ny Fanahy Masina" izay nomena ny anarana latina hoe ''Filioque''.