Hagara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra sy nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Naitatra sy nanisy sary
Andalana faha-8:
==== I Hagara ao amin'ny Testamenta Taloha ====
Ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] araka ny [[Bokin'ny Genesisy]] (na [[Jenezy]]) dia andriambavy egiptiana tao amin'ny lapan'ny Farao i Hagara nefa nanapa-kevitra hanaraka an'i Abrahama sy ny vadiny Saraha. Efa antitra sady momba i Saraha ka nomeny alalana i Abrahama hanambady an'i Hagara mba hahanana taranaka. Nitoe-jaza tamin'i Abrahama i Hagara ka tsy niraharaha an'i Saraha izay nanao toeran-tsy zaka taminy noho izany. Nandositra tany an-tany efitra i Hagara sy ny zanany nefa nampodin'ny [[anjely]] iray sady nasainy hanoa an'i Saraha. Naminany taminy ny hananany taranaka maro ilay anjely sady hatao hoe [[Ismaela]] (hebreo: ''Ishma-êl'' "mihaino Andriamanitra") ny anaran'ny zazalahy haterany. Izany fihaoan'ny anjely sy i Hagara izany dia niseho teo amin'ny lava-drano fantakana atao hoe Lahay-Roy eo anelanelan'i Kadesy sy i Bereda. Niteraka an'i Ismaela tokoa i Hagara tamin'ny faha-86 taonan'i Abrahama (Gen. 16).
[[Sary:Expulsion of Ishmael and His Mother.png|vignette|''Fandroahana an'i Ismaela sy ny reniny'' - nataon'i Gustave Doré]]
 
Nitoe-jaza tamin'i [[Abrahama]] ihany i [[Saraha]] tamin'ny farany ka niteraka an'i [[Isaka]] izay niara-notezaina tamin'i Ismaela. Tsy sitrak'i Saraha anefa ny hiarahan'i Ismaela handova amin'ny zanany ka nasainy nandroaka an'i Hagara mianaka i Abrahama. Mofo sy kitapo hoditra fitondran-drano no nomen'i Abrahaman hoentin'i Hagara sy ny zanany mirenireny any an-tany efitr'i Ber-Seva. Rehefa lany ny tao amin'ilay kitapo hoditra dia nandao an'i Ismaela teo ambody hazo iray i Hagara ka lasa niala lavitra azy mba tsy hahita ny hahafatesany. Nitomany i Hgara ka henon'Andriamanitra izay nandefa anjely hankahery sy hitarika azy amin'ny toerana misy vovo. Nilaza ilay anjely fa ho be voninahitra sady hanan-taranaka maro i Ismaela (Gen. 21.1-21). Nofenoin'i Hagara rano ilay kitapo hoditra hampisotroiny an'i Ismaela zanany izay nitambelona indray. Nanorim-ponenana tao amin'ny tany efitr'i Paràna i Hagara mianaka ka rehefa lehibe i [[Ismaela]] taty aoriana dia nampanambadiny vehivavy egiptiana (Gen. 21).
 
Andalana faha-14:
Voaresaka ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] koa i Hagara. I [[Paoly (apostoly)|Paoly apostoly]], ao amin'ny [[Epistily ho an'ny Galatiana]], dia manohatra an'i Hagara amin'i Jerosalema ety an-tany sy amin'ny Fanekem-pihavanana taloha fa i Saraha kosa amin'i Jerosalema any an-danitra sy amin'ny Fanekem-pihavanana vaovao (Gal. 4).
 
== Ny mety ho taranak'i Hagara araka ny Baiboly ==
Ny taranak'i Hagara dia fantatra amin'ny anarana hoe Ismaelita (taranak'i Ismaela) nefa ao amin'ny Baiboly (ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Tantara]] sy ao amin'ny [[Bokin'ny Salamo]]) dia misy foko na firenena atao hoe Hagarita na Hagarena izay heverinamisy mihevitra fa taranak'i Hagara nefa mety tsy manondro ny Ismaelita. Ireto avy ny andalana miresaka ny amin'ny Hagarita:
 
"Ary tamin'ny andron'i [[Saoly]] dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada izy." (1Tant. 5.10)
Andalana faha-22:
 
"<small>5</small> Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao, <small>6</small> Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita, <small>7</small> Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro. <small>8</small> Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo." (Sal. 83.5-8)
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Abrahama]]
* [[Isaka]]
* [[Ismaela]]
* [[Saraha]]