Hagara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Olona resahina ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra sy nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Hagar and Ishmael in desert (Grigoriy Ugryumov).jpg|vignette|351x351px|''I Hagara sy i Ismaela tany an-tany efitra'', nataon'i Grigoriy Ugryumov.]]
I [[Hagara]] dia vehivavy resahina ao amin'ny Baiboly izay voalaza fa mpanompovavin'i Saraha avy any Egipta sady renin'i Ismaela zanak'i [[Abrahama]] voalohany. I [[Saraha]] no nanome alalana an'i Abrahama vadiny hanambady an'i Hagara mba hahanany taranaka. Tsy nifanaraka tamin'i Saraha i Hagara ka lasa nadositra tany an-tany efitra. Nampanantenain'ny anjely i Hagara fa hiteraka zazalahy ka niverina tany amin'i Abrahama indray ary niteraka an'i [[Ismaela]]. Sitrana ihany ny hamomban'i Saraha izay efa antitra ka niteraka an'i [[Isaka]]. Nampandroahin'i Saraha an'i Abrahama i Hagara sy ny zanany ka lasa tany an-tany efitra indray izy mianaka.
 
Ligne 6 ⟶ 7 :
 
==== I Hagara ao amin'ny Testamenta Taloha ====
Ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] araka ny [[Bokin'iny Genesisy]] (na [[Jenezy]]) dia andriambavy egiptiana tao amin'ny lapan'ny Farao i Hagara nefa nanapa-kevitra hanaraka an'i Abrahama sy ny vadiny Saraha. Efa antitra sady momba i Saraha ka nomeny alalana i Abrahama hanambady an'i Hagara mba hahanana taranaka. Nitoe-jaza tamin'i Abrahama i Hagara ka tsy niraharaha an'i Saraha izay nanao toeran-tsy zaka taminy noho izany. Nandositra tany an-tany efitra i Hagara sy ny zanany nefa nampodin'ny [[anjely]] iray sady nasainy hanoa an'i Saraha. Naminany taminy ny hananany taranaka maro ilay anjely sady hatao hoe [[Ismaela]] (hebreo: ''Ishma-êl'' "mihaino Andriamanitra") ny anaran'ny zazalahy haterany. Izany fihaoan'ny anjely sy i Hagara izany dia niseho teo amin'ny lava-drano fantakana atao hoe Lahay-Roy eo anelanelan'i Kadesy sy i Bereda. Niteraka an'i Ismaela tokoa i Hagara tamin'ny faha-86 taonan'i Abrahama (Gen. 16).
 
Nitoe-jaza tamin'i [[Abrahama]] ihany i [[Saraha]] tamin'ny farany ka niteraka an'i [[Isaka]] izay niara-notezaina tamin'i Ismaela. Tsy sitrak'i Saraha anefa ny hiarahan'i Ismaela handova amin'ny zanany ka nasainy nandroaka an'i Hagara mianaka i Abrahama. Mofo sy kitapo hoditra fitondran-drano no nomen'i Abrahaman hoentin'i Hagara sy ny zanany mirenireny any an-tany efitr'i Ber-Seva. Rehefa lany ny tao amin'ilay kitapo hoditra dia nandao an'i Ismaela teo ambody hazo iray i Hagara ka lasa niala lavitra azy mba tsy hahita ny hahafatesany. Nitomany i Hgara ka henon'Andriamanitra izay nandefa anjely hankahery sy hitarika azy amin'ny toerana misy vovo. Nilaza ilay anjely fa ho be voninahitra sady hanan-taranaka maro i Ismaela (Gen. 21.1-21). Nofenoin'i Hagara rano ilay kitapo hoditra hampisotroiny an'i Ismaela zanany izay nitambelona indray. Nanorim-ponenana tao amin'ny tany efitr'i Paràna i Hagara mianaka ka rehefa lehibe i [[Ismaela]] taty aoriana dia nampanambadiny vehivavy egiptiana (Gen. 21).
 
==== I Hagara ao amin'ny Testamenta Vaovao ====
Voaresaka ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] koa i Hagara. I [[Paoly (apostoly)|Paoly apostoly]], ao amin'ny [[Epistily ho an'ny Galatiana]], dia manohatra an'i Hagara amin'i Jerosalema ety an-tany sy amin'ny Fanekem-pihavanana taloha fa i Saraha kosa amin'i Jerosalema any an-danitra sy amin'ny Fanekem-pihavanana vaovao (GalatianaGal. 4).
 
== Ny taranak'i Hagara araka ny Baiboly ==
Ny taranak'i Hagara dia fantatra amin'ny anarana hoe Ismaelita (taranak'i Ismaela) nefa ao amin'ny Baiboly (ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Tantara]] sy ao amin'ny [[Bokin'ny Salamo]]) dia misy firenena atao hoe Hagarita na Hagarena izay heverina fa taranak'i Hagara nefa mety tsy manondro ny Ismaelita. Ireto avy ny andalana miresaka ny amin'ny Hagarita:
 
"Ary tamin'ny andron'i [[Saoly]] dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada izy." (1Tant. 5.10)
 
"Ary niady tamin'ny Hagarita sy tamin'i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy. Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy." (1Tant. 5.19-20)
 
"<small>5</small> Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao, <small>6</small> Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita, <small>7</small> Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro. <small>8</small> Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo." (Sal. 83.5-8)