Saraha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitsy tsipelina sy rohy
Andalana faha-1:
[[Sary:Sarah Abraham.jpg|vignette|I Saraha sy i Abrahama mampiantrano anjely telo miakanjo fotsy.|300x300px]]
I [[Saraha]] dia vadin'i Abrahama izay reny niteraka amin'ny fomba mahagaga an'i Isaka na dia antitra sy momba aza. Saray no anarany talohan'ny niovany ho Saraha. Anabavy iray ray fa samy hafa reny amin'i Abrahama izy.
 
Andalana faha-5:
 
==== I Saraha ao amin'ny Testamenta Taloha ====
Voaresaka misimisy kokoa ny amin'i Saraha ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] indrindra fa ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy]]. I Saraha, izay natao hoe Saray, dia vadin'i [[Abrahama]], izay natao hoe Abrama. I Saraha sy i Abrahama iray ray fa samy hafa reny (Gen. 20.12). I Tera no rain'izy ireo fa ny renin'i Saraha kosa dia i Iona ary ny renin'i Abrahama dia i Salmota<ref><small>"Sainte Généalogie" araka ny ''Livre de la Caverne des trésors''</small></ref>.
 
Niseho Andriamanitra nandritra ny famangiana (Gen. 18.1-15) nataona lehilahy telo nandalo teo amin'ny hazo oaka tao amin'ny tananan'i Mambre (na Mamre) izay nampandrosoin'i Abrahama. Nasain'i Abrahama nanamboatra mofo ho hanin'ny vahiny i Saraha. Ny iray amin'ireo lehilahy telo dia nanambara fa hitoe-jaza i Saraha izay efa antitra ka nihomehy i Saraha. Henon'Andriamanitra izany ka nanomezany tsiny an'i Abrahama. Natahotra i Saraha ka nandainga tamin'ny filazany fa tsy nihomehy izy nefa Andriamanitra nahalala ny marina.
Andalana faha-11:
Nihevi-tena ho momba ihany i Saraha ka nanolotra an'i [[Hagara]] mpanompo vaviny ho vadin'i Abrahama mba hahazoany zanaka ho azy. Rehefa nitoe-jaza i Hagara ka hiteraka an'i [[Ismaela]] dia nanambany an'i Saray izay nitaraina tamin'i Abrahama noho izany (Gen. 16). Notanterahin'Andriamanitra ny fanirian'i Saraha dia nitoe-jaza izy ka niteraka an'i [[Isaka]].
 
Ny fahaterahan'i Isaka dia nampanantenain'Andriamanitra an'i Abrahama sy an'i Saraha (Gen. 17.19-21), taorian'ny fanambadiana tsy misy zaza, ka famantarana ny fahasoavana nomen'Andriamanitra azy ireo izany araka ny maha mpandova ny Fanekam-pihavanana an'i Isaka. Voalaza ao amin'ny [[Bokin'i Isaia]] i Saraha amin'ny niterahany ilay zaza nampanantenaina an'i Abrahama hanome taranaka maro an'i Abrahama (Is. 51.2).
 
Maty tamin'ny faha-127 taonany i Saraha dia nelevina tao amin'ny zohy eo amin'ny sahan'i Makpela mifanolotra amin'ny tananan'i Mambre (na Mamre) ao amin'ny tany Kanana (Gen. 23.19).
 
==== I Saraha ao amin'ny Testamenta Vaovao ====
Miresaka an'i Saraha ihany koa ireo manoratra ny [[TestavebntaTestamenta Vaovao]]. Voalaza ho mpiray finoana amin'ny vadiny izy ao amin'ny [[Epistily|Epistolà]] nosoratan'i [[Paoly (apostoly)|Paoly]] [[Epistily ho an'ny Romana|ho an'ny Romana]] (Rom. 4.19). Ny [[Epistily ho an'ny Hebreo|Epistolà ho an'ny Hebrio]] dia maneho azy ho isan'ireo ao olona filamatra ao amin'ny [[Baiboly]] halain'ny mpino tahaka. Ataon'ny mpanoratra ny [[Epistily voalohany nosoratan'i Petera|Epistolà voalohany nosoratan'i Petera]] renin'ny Kristiana i Saraha noho ny fananany toetra mahay manoa (1Pet. 3.6). Ao amin'ny [[Epistily ho an'ny Galatiana|Epistolà ho an'ny Galatiana]] dia oharina amin'i Hagara sy i Saraha ny Fanekem-pihavanana taloha sy ny Fanelem-pihavanana vaovao (Gal. 4.22-26, 28, 31).
 
==== I Saraha ao amin'ireo literatiora jiosy midrasika ====
Andalana faha-27:
 
Telo ambin'ny folo taona taty aoriana dia nanambara tamin'i Abrahama izay efa zato taona Andriamanitra fa na dia momba aza i Saraha dia hiteraka zazalahy ho an'i Abrahama izay hatao hoe Isaka sady ho tonga mpaminanin'Andriamanitra koa. Voalaza ao amin'ny Kor'any koa ny amin'ny fihomehezan'i Saraha raha nanambara ny hahaterahan'i Isaka ireo anjely. mety avy amin'ny fototry ny teny midika hoe "mihomehy" ny anarana hoe Isaka. (Kor'any 11.69.72).
 
== Loharano ==