Fitsanganan-ko velona (kristianisma): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy vaovao momba ny fivavahana kristiana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitsy rohy
Andalana faha-1:
Ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]] na [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganana amin'ny maty]] dia ny fiverenan'ny efa maty ho amin'ny fiainana indray. Isan'ireo finoana lehiben'ny Kristiana ny fitsangana-ko velona. Ny fitsanganan'ny maty ho velona dia midika fa haharitra any amin'ny tontolo hafa ny fiainana ka mifandray amin'ny fitsarana farany hataon'Andriamanitra amin'ny olona rehetra izany. Ny olona nanao ny tsara araka ny didin'Andriamanitra fahavelony sy voavela heloka dia hitsangana ho amin'ny fiainana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra izay torin'ny irak'Andriamanitra indrindra ny mesia. Ireo olona nanao ny ratsy sy tsy nibebaka dia halefa any amin'ny gehena na ny helo.
 
Roa ihany ny olona fantatra araka ny [[Baiboly]] fa nanangana olona tamin'ny maty, dia i [[Elia]] mpaminany sy i Jesosy Kristy. Maro ireo olona voalaza fa nitsangana tamin'ny maty ka isan'ireo i Lazarosy avy any Betania sy ny zanakavavin'i Jairo.
 
Nitsangana atamin'ny maty i Jesosy tamin'ny marainan'ny andron'ny [[Paska jiosy]] taorian'ny fahafatesany vokatry ny nanomboana azy amin'ny hazo fijaliana; ary zava-dehibe indrindra amin'ny finoana kristiana izany satria antom-pisiany. Amin'ny [[eskatolojia]] kristiana dia amin'ny andro farany, rehefa voapetraka ny Fanjakan'Andriamanitra, no hananganana ny maty.