Maria (renin' i Jesoa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanao fanitsiana sy namafa soratra tsy ilaina
Andalana faha-9:
Ao amin'ny tohin'ny tantara dia namangy an'i Elizabeta rahavaviny i Maria sady naneho ny hafaliany taminy (Lio. 1.39-55). Niteraka an'i Jesoa tao [[Betlehema]] izy (Mat. 2.1-6; Lio. 2.4-7) ka namangy azy mianaka ny mpiandry ondry sy ny [[Magy|majy]] (magy) telo lahy (Mat. 2.7-12; Lio. 2.15-21).
 
MilazaAraka ny tetiaran'i Jesoa ao amin'ny Evanjelin'i Matio (Mat. 1.1-17) dia fa avy amin'ny tranon'ny mpanjaka [[Davida (Baiboly)|Davida]] i Josefa nefa tsy dia mazava loatra ny amin'izany ka miteraka tsy fifanarahan-kevitra ny Evanjelin'i Lioka (Lio. 3.23-38) satria i Josefa sy i Maria dia samy voalaza fa taranaky ny mpanjakan'i Israely<ref><small>Geoffrey W. Bromiley, ''The International Standard Bible Encyclopedia, Volume 4'', Wm. B. Eerdmans Publishing, 1995, p. 269.</small></ref>.
 
Ireo [[Evanjely]] ireo dia miresaka koa ny amin'ny fitondrana an'i Jesoa zaza tany amin'ny [[Tempoly]] mba hanatanteraka ny fanatitra tokony hatao noho ny voalohan-teraka. Naminany i Simeona fa hiaritra fangirifiriana i Maria (Lio. 2.21-35). Ary taty aoriana dia nitranga ny tantaran'ny fahaverezan'i Jesoa tamin'ny faha-12 taonany (Lio. 2.41-51) tamin'ny niakaran'izy ireo ho any amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay fanao isan-taona: raha nody any [[Nazareta]] ireo ray aman-dreniny dia nitoetra tao an-Tempoly i Jesoa niady hevitra tamin'ireo "mpanora-dalàna" (manam-pahaizana momba ny Soratra Masina jiosy: ny [[Torah]]).
Andalana faha-18:
 
Araka ny [[Asan'ny Apostoly]] dia niara-nivory tamin'ireo mpiantr'i Jesoa i Maria tamin'ny andron'ny [[Pentekosta]] (Asa 1.14).
 
Voninahitra ho an'Andriamanitra fa namolavola olona tsotra sy hendry Izy , ary anisan'izany i Maria renin'i Jesosy Tompo , virijinina izy ary notorotoronina tamin'ny Fanahy Masina ka nitoe-jaza , ka niteraka an'i Jesosy Tompo ...
 
== Jereo koa: ==