Bokin' i Baroka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy kely
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
 
 
Ny [[Bokin'i Baroka]] dia boky ao amin'ny [[Testamenta Taloha]]<nowiki/>n'ny [[Baiboly katolika]] sy ny [[Baiboly ortodoksa]]. Misy faminaniana navoaka tao Babilona ny ao amin'io boky io izay ahitana fahaiza-mandaha-teny. Ahitana fandinihana ny amin'ny teolojia sy ny tantaran'i Isiraely, ady hevitra momba ny fahendrena, sady teny nampitaina tamin'ireo mponin'i Jerosalema sy ireo any am-pielezana. Ahitana fiaiken-keloka sy fampanantenam-pahafahana ho an'ireo mifona noho ny fahotany ary vavaka fifonana amin'Andriamanitra sy fiderana azy ny ao amin'io boky io. Avy eo ilay boky dia midera ny fahendrena sy ny didin'Andriamanitra, ary miantso ireo Jiosy any am-pahababoana mba hahery sy hionona. Ahitana taratasy atao hoe nalefan'i [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] ho an'ireo Jiosy natao sesy tany any Babilona izay taratasy fampitandremana amin'ny [[fanompoan-tsampy]].
 
Boky [[Boky deoterokanonika|deoterokanonika]] ho an'ny Katolika sy ny Ortodoksa ny Bokin'i Baroka sady tsy hita ao amin'ny [[Tanakh]] (Baiboly jiosy) sy ny [[Baiboly protestanta]] izay manakilasy azy ho apokrifa.