Eskatôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra: eskatolojia jiosy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Eskatolojia kristiana
Andalana faha-35:
** Yom HaDin (andron'ny fitsarana)
** Fametrahana ny Olam Haba (tontolo hoavy) mandrakizay.
 
=== Eskatolojia ao amin'ny Kristianisma ===
Ho an'ny Kristiana dia misy zava-mitranga telo izay tokana ihany amin'Andriamanitra - dia:
 
* ny fahafatesan'ny olona tsirairay sy ny fiainana aorian'ny fahafatesana: izany no atao hoe eskatolojia isam-batan'olona;
* ny fiafaran'ny fiaraha-monin'ny olombelona na ny fiafaran'ny taranaka (fiafaran'izao tontolo izao): eskatolojian'ny taranak'olombelona;
* ny fiafaran'izao rehetra izao (zava-mitranga amin'ny androin'ny taranak'olombelona farany eto ambonin'ny tany): eskatolojian'izao rehetra izao na eskatolojia kosmika.
 
Hita ao amin'ny Testamenta Vaovao izany hevitra maron'ny andro farany izany. Ohatra ny ao amin'ny Filazantsaran'i Matio (Mat. 24.37-42) izay iresahan'i Jesosy ny hiverenany amim-boninahitra any amin'ny andro farany. Voaresaka ao koa ny fahafatesan'ny lehilahy sy vehivavy iray.
 
Voaresaka ao amin'ny Filazantsaran'i Lioka koa ny amin'ny hahatongavan'i Jesosy toy ny mpangalatra amin'ny andro farany (Lio. 12.39-40).
 
Ireo Kristiana tamin'ny taonjato voalohany dia nihevitra fa hitranga fahavelon'izy ireo ny fiafaran'izao tontolo izao. Ampitahain'i Jesosy amin'ny fahararian'ny vehivavy efa hiteraka ny fiafaran'izao tontolo izao, izay midika fa efa bevohokan'ny fandravana azy izao tontolo, nefa Andriamanitra irery ihany no mahalala ny hisehoan'izany (marka 13.8). Rehefa nenjehin'ny Romana ny Kristiana tao Tesalonika dia nino fa tonga ny andro farany. Nefa ny tsy fahafantarana ny tena marina dia nitohy hatramin'ny taona 90 taor. J.K. ka nanambara i Jostino maritira fa nahemotr'Andriamanitra ny fiafaran'izao tontolo izao mba hahatonga ny Fivavahana kristiana hahenika an'izao tontolo izao. Tamin'ireo taona 250 dia nanoratra i Kipriano avy any Kartago fa ny fahotan'ny Kristiana tamin'izany andro izany dia famantarana mialoha lalana ny fahantomotry ny andro farany.
 
Araka ny tantara dia tsy nitovy hevitra ireo teolojiana ny amin'ny fisian'ny fanjakana arivo taonan'ny Kristy eto an-tany mandritra ireo andro farany<ref><small>Guillaume Bourin, «http://leboncombat.fr/comprendre-lapocalypse-oui-mais-comment/<nowiki/>» [<nowiki/>[[tahiry]]], sur ''www.leboncombat.fr'', 15/05/2014 (notsidihina 6/09/2014)</small></ref>.
 
Tamin'ny taonjato faha-3 anefa dia nino ny ankamaroan'ny Kristiana fa ny andro farany dia hitranga aorian'ny taranaka misy azy ireo; nihevitra izy ireo fa tsy neken'i Jesosy ireo fanandroana hamantatra ny ho avy, hamantarana "ireo fotoana sy fizaran-taona", ary izany fanao izany dia norarana na dia nisy daty voafaritra mazava fa hitrangan'ny andro farany araka ny lovantsofina jiosy araka ireo fetrandro enin'izao tontolo izao. Ireo izay nampiasa izany fanisana izany dia nahita fa amin'ny taona 202 ny andro farany. Nefa rehefa lasa io fotoana io dia novana ho amin'ny taona 500. Taorian'ny taona 500 dia noheverina fa tsy zava-dehibe ho an'ny finoana kristiana ny andro farany, na dia misy ireo izay mbola manamafy izany amin'ny fotoan'ny Adevento.
 
== Jereo koa: ==