Batisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Culto Igreja da Lagoinha.jpg|vignette|349x349px]]
Ny [[Batisma]] dia firehana ao amin'ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] isan'ireo sampana [[Fiangonana ara-pilazantsara|ara-pilazantsara]] izay notarihina pastora roa tamin'ny taonjato faha-17, dia ilay anglisy atao hoe John Smyth tao Holandy tamin'ny taona 1609, sy i Thomas Helwys tao Angletera tamin'ny taona 1612.
 
Manome anjara toerana lehibe ny [[Baiboly]] ny Fingonana batista. Omeny lanja koa ny fahaterahana indrayfahateraham-baovao, ny batisan'ny olon-dehibe, ny famitana iraka amin'ny fitoriana ny Filazantsara, ny fanoloran-tena ara-pitondrantena amin'ny fiainana. Mizaka tena ny fiangonana tsirairay isan-toerana, misaraka ny fahefan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana, ny fitambaran'ny mpino rehetra no tompon'ny fahefana amin'ny fampandehanana ny fiangonana ka tsy miavaka loatra ny sokajin'olona atao hoe mpitondra fiangonana (kongregasionalisma). Mizara ho antokom-pinoana 27 ireo Fiangonana batista ireo.
 
Tamin'ny taona 2010 dia niisa 100 000 000 ny mpino batista. Ny ankamaroan'izy ireo dia monina ao Etazonia ka ao izy manjaka tanteraka manoloana ny Fiangonana protestanta hafa rehetra (miisa 30 000 000 izy ireo tao tamin'ny fiantombohan'ny taona 1980). Ahitana fiagonana batista maro ihany koa i Birmania, i Britaina Lehibe, i Brezila, i India, i Kanada, i Nizeria, ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, ary i Romania.
 
== Tantarany ==
Ligne 11 ⟶ 10 :
 
I Thomas Helwys dia nanorina ny fiangonana batista voalohany tany Angletera tao Spitalfields, ao Atsinanan'i Londona tamin'ny taona 1612<ref><small>Bernard ROUSSEL, ''Encyclopædia Universalis'', "[http://www.universalis.fr/encyclopedie/thomas-helwys/ HELWYS THOMAS]" [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.universalis.fr%2Fencyclopedie%2Fthomas-helwys%2F tahiry]], notsidihina 21/08/2016</small></ref>. Tamin'io taona io no nanontana ny boky nosoratany atao hoe ''A Short Declaration of the Mistery of Iniquity'' ("Fanambaràna fohy ny amin'ny Zavamiafin'ny Fitanilana") izay nentiny nitsikera ny Brownisma sy ny Poritanisma ary ny fitondran'ny Papa<ref><small>Stephen R. Holmes, ''Baptist Theology'', Éditions A&C Black, Englandt, 2012, pp. 112-120</small></ref>. Io boky io dia iray amin'ireo lahateny fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana tao Angletera sy tao Kambria (anglisy: ''Wales''; frantsay: ''Pays'' ''de'' ''Galles''). Nandefasan'i Helwys amin'ilay boky ny mpanjaka Jemsa I (frantsay: ''Jacques I d'Angleterre''; anglisy: ''James I'') izay nampahatsiahiviny fa olona mety maty koa, "vovoka sy lavenona" sahala amin'ny olona rehetra, ka tsy manana fahefana amin'ny samy fanahy tsy mety maty an'ireo mpanompony. Tezitra noho izany ny mpanjaka ka nampiditra azy an-tranomaizina ka tao i Helwys no maty tamin'ny taona 1616<ref><small>''Encyclopédie Britannica'', [http://www.britannica.com/biography/Thomas-Helwys THOMAS HELWYS] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.universalis.fr%2Fencyclopedie%2Fthomas-helwys%2F tahiry]], notsidihina 21/08/2016</small></ref>.
 
== Ny Fielezan'ny finoana batista ==
Mizara ho antokom-pinoana 27 ireo Fiangonana batista ireo. Tamin'ny taona 2010 dia niisa 100 000 000 ny mpino batista<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 299</small></ref>. Ny ankamaroan'izy ireo dia monina ao Etazonia ka ao izy manjaka tanteraka manoloana ny Fiangonana protestanta hafa rehetra (miisa 30 000 000 izy ireo tao tamin'ny fiantombohan'ny taona 1980). Ahitana fiagonana batista maro ihany koa i Birmania, i Britaina Lehibe, i Brezila, i India, i Kanada, i Nizeria, ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, ary i Romania.
 
== Jereo koa: ==
Ligne 16 ⟶ 18 :
* [[Protestantisma]]
* [[Kristianisma]]
*[[Evanjelisma]]
 
== Loharano ==