Pentekôtisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Congreso Nacional Juvenil3.jpg|vignette|303x303px]]
Ny [[Pentekotisma]], izay atao hoe koa [[Pentekotisma|Fihetsiketsehan'ny Pentekosta]], dia fireham-pinoana kristiana [[Evanjelisma|ara-pilazantsara]] (evanjelika) vokatry ny Fifohazam-panahy notarihin'ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao Etazonia tamin'ny taona 1906. Io fihetsiketsehana io dia manana izao toetra izao: manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahaterahana indray, ny batisan'ny [[Fanahy Masina]], ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina, ny batisan'ny olon-dehibe amin'ny maha vavolombelona an-tsitrapo azy, ny fananana saina tia mamita iraka, ny fanokanan-tena ara-pitondran-tena amin'ny fiainana, ny fahaleovan-tenan'ny fiangonana isan-toerana, ny fisaranan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Ny Pantekotisma dia mitovy amin'ny Fihetsiketsehana karismatika, nefa nivoatra taloha kokoa (indrindra ny tao Etazonia). Ny Kristiana karismatika, indrindra ireo tamin'ny fotoana niantombohan'ireo fihetsiketsehana ireo, dia samy nitoetra tsy niala amin'ny fiangonany avy. Miteny tsy fantatra ny Pentekotista sady mazoto mifady hanina.