Pentekôtisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Pentekotisma]], izay atao hoe koa [[Pentekotisma|Fihetsiketsehan'ny Pentekosta]], dia fireham-pinoana kristiana [[Evanjelisma|ara-pilazantsara]] (evanjelika) vokatry ny Fifohazam-panahy notarihin'ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao Etazonia tamin'ny taona 1906. Io fihetsiketsehana io dia manana izao toetra izao: manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahaterahana indray, ny batisan'ny [[Fanahy Masina]], ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina, ny batisan'ny olon-dehibe amin'ny maha vavolombelona an-tsitrapo azy, ny fananana saina tia mamita iraka, ny fanokanan-tena ara-pitondran-tena amin'ny fiainana, ny fahaleovan-tenan'ny fiangonana isan-toerana, ny fisaranan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Araka ny tarehimarika omen'ny Pew Research Center dia miisa any amin'ny 279 000 000 any ho any ny mpino pentekotista. Ny Pantekotisma dia mitovy amin'ny Fihetsiketsehana karismatika, nefa nivoatra taloha kokoa (indrindra ny tao Etazonia). Ny Kristiana karismatika, indrindra ireo tamin'ny fotoana niantombohan'ireo fihetsiketsehana ireo, dia samy nitoetra tsy niala amin'ny fiangonany avy. Miteny tsy fantatra ny Pentekotista sady mazoto mifady hanina.
 
== Teolojia pentekotista ==
Ny teolojia pentekotista dia tsy miavaka amin’ny teolojian’ny Fiangonana ara-pilazantsara afa-tsy ny amina zavatra vitsivitsy.
 
=== Ny Baiboly: fahefana tampony sady farany momba ny finoana ===
Ny ankamaroan'ny Fiangonana pentekotista dia mitory teolojia izay manao lohalaharana ny fahamarinan’ny Boaiboly. Ny ankamaroan'ny Pentekotista dia miombon-kevitra amin'ny fampianaram-pinoana momba ny tsy fetezan-dison’ny Baiboly. Tsy mitovy amin'ireo Fondamentalista anefa izy ireo satria manome lanja ny bebe kokoa ny fanandramana ara-panahy isam-batan’olona.
 
I Jackie David Johns dia manamarika fa ny Soratra Masina dia mitana anjara toerana manokana eo amin’ny fiheveran'ny Pentekotista izao tontolo izao satria ny Fanahy Masina dia miasa mandrakariva ao amin'ny Baiboly. Ho an'ny Pentekotista, ny fihaonana amin’ny Soratra Masina dia fihaonana amin'Andriamanitra; ny Soratra Masina no filamatra ny aminn’ny firaisana amin’Andriamanitra sy hahafantarana sy hahazoana  an’izao tontolo izao.
 
=== Fanindriana mafy ny amin’ny Fanahy Masina ===
Isan’ireo zavatra tena mampiavaka ny Pentekotista amin’ny [[Evanjelisma|Fiangonana evanjelika]] hafa ny fanomezany lanja lehihibe ny Fanahy Masina<ref><small>Randall Herbert Balmer, ''Encyclopedia of Evangelicalism: Revised and expanded edition'', Baylor University Press, USA, 2004, p. 533</small></ref> izay inoany fa miantoka ny fahatanterahan’ny fahateraham-baovao sy ny batisan’ny Fanahy Masina.
 
==== Ny fahateraham-baovao ====
Araka ny finoan’ny Pentekotista dia hitoetra ao amin’ny olon-drehetra izay voavonjy marina ny Fanahy Masina sady miasa amin’ny alalan’izy ireo<ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, <abbr>p.</abbr> 184</small></ref> <ref><small>Veli-Matti Karkkainen, ''The Spirit in the World: Emerging Pentecostal Theologies in Global Contexts'', Wm. B. Eerdmans Publishing, États-Unis, 2009, <abbr>p.</abbr> 39</small></ref>. Ny olona izay avy novonjena tamin’ny alalan’ny fahateraham-baobao mitohy dia miova tsikelikely ka amin’ny farany dia hiray amin’ny Tenan'i Kristy amin’ny fiombonany amin’ny Fiangonana<ref><small>Wesley Peach, ''Itinéraires de conversion'', Les Editions Fides, Canada, 2001, pp. 56-57</small></ref>. Ny fahateraham-baovao dia mahatonga ny Kristiana ho vaovao sy hohamarinina ary ny asa fanamasinana ataon’ny Fanahy Masina dia manomboka amin’izay. Ny lalan’ny famonjena (latina: ''ordo saluto'') (dingana mankany amin’ny famonjena) dia mitarika amin'ny famonjena ny fanahy.
 
==== Ny Batisan'ny Fanahy Masina ====
Mino ny Pentekotista fa misy asa faharoan’ny Fanahy Masina, dia ny Batisan'ny Fanahy Masina na Batisa ao amin’ny Fanahy Masina, izay ahafahan’ny mino hanana fiombonana hentitra amin’ny Fanahy Masina sy hahafahany manao ny asa fanompoana kristiana<ref><small>Sébastien Fath, ''Du ghetto au réseau. Le protestantisme évangélique en France, 1800-2005'', Édition Labor et Fides, France, 2005, pp. 314, 370</small></ref> <ref><small>Yannick Fer, ''Pentecôtisme en Polynésie française: l'évangile relationnel'', Labor et Fides, Suisse, 2005, p. 253</small></ref>. Mamonto tanteraka ny olona ny Fanahy Masina ary izany batisa izany dia miseho amin’ny alalan’ny fiteny tsy fantatra<ref><small>Olivier Favre, ''Les églises évangéliques de Suisse: origines et identités'', Labor et Fides, Suisse, 2006 , pages 55, 208</small></ref> <ref><small>RTS, Émission Temps présents [http://pages.rts.ch/emissions/temps-present/religion/3032510-rock-miracles-saint-esprit.html#3095947 Rock, miracles & Saint-Esprit] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fpages.rts.ch%2Femissions%2Ftemps-present%2Freligion%2F3032510-rock-miracles-saint-esprit.html%233095947 tahiry]], Suisse, 21/04/2011</small></ref> <ref><small>Roger E. Olson, ''The Westminster Handbook to Evangelical Theology'', Westminster John Knox Press , UK, 2004, p. 203</small></ref>. Aorian'ny batisan'ny rano io batisa io matetika nefa koa mety hiara-miseho aminy na hialoha lalana azy. Mampiavaka indrindra ny Pentekotista amin'ny [[Evanjelisma|Kristiana evanjelika]] hafa izany satria ireto dia mino fa tsy ny fanaovana fitenhy tsy fantatra ihany no famantarana ny Batisan’ny Fanahy Masina fa misy famantarana azo tsapaina hafa koa.
 
=== Ny fananterana ny amin’ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ===
Ny Pentekotista dia manantitra ny amin’ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina (izay heveriny ho fisehoana ara-panahy amin'ny fomba mitohin'Andriamanitra eo amin'ny tantaran'ny olombelona sy amin'ny tantaram-piainany), noho ny fahasoavana mahagaga ilain'ny Kristiana tsirairay mba hahafahany manadray anjara amin’ny fanompoana ampanaovin’ny Fiangonana<ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 19</small></ref>. Ireto avy ireo fanomezam-pahasoavana ireo:
 
* ny '''teny fahendrena''': teny na hafatra mahagaga omen any olona iray;
 
* ny '''teny fahalalana''': fahafahana hahazo tsara ny tian'ny Soratra Masina ho lazaina sy ny foto-pampianarana kristiana
 
* ny '''finoana''';
 
* ny '''fanasitranana mahagaga''' amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana: fanasitranananaretina tsy sitran'ny fitsaboana moderina<ref><small>Jôrg Stolz, « "Le Seigneur va guérir une multitude d'entre vous ce matin". Une étude de cas d'un atelier de guérison pentecôtiste », in ''Quêtes de santé''. ''Entre soins médicaux et guérisons spirituelles'' (Nicole Durisch, Ilario Rossi et Jôrg Stolz éd.), Labor et Fides, 2007, p. 67-86</small></ref>;  miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny finoana izany satria raha tsy misy ny finoana dia tsy misy ny fahagagana.
 
* ny '''faminaniana''';
 
* ny '''fahafantarana fanahy samy hafa''';
 
* ny '''fitenenana amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra''': porofo voalohan'ny Batisan'ny Fanahy io; ny ankamaroan'ny fiangonana pentekotista dia mihevitra fa ny tsy fanaovana teny tsy fantatra dia midika tsy fahatanterahan'ny Batisan'ny Fanahy Masina; isan'io koa ny fahazoana amin'ny fomba mahagaga ny lazaina amin'ny tenim-pirenena vahiny.
 
=== Ny amin'Andriamanitra ===
Tsy mitovy hevitra ny samy Pentekotista ny amin'Andriamanitra ka ny ankamaroany, izay atao hoe "trinitariana" na "ortodoksa", dia mino ny [[Trinite]]; fa ny ankavitsiany izay atao hoe "Oneness Pentecostalism" izay miaro ny maha tokana an'Andriamanitra<ref><small>Talmadge French, ''Our God is One'', Voice and Vision Publishers, 1999, <nowiki>ISBN 978-1-888251-20-3</nowiki>.</small></ref> <ref><small>David S. Norris, PhD,"I Am: A Oneness Pentecostal Perspective.", Word Aflame Publishers, 2009, <nowiki>ISBN 978-1-56722-730-7</nowiki>.</small></ref> amin'ny fandavany ny maha Trinite an'Andriamanitra.
 
==== Ny Pentekotisma trinitariana ====
mihazona ny fampianarana nahazatra ny amin'ny Trinite ny ankabetsahan'ny Pentekotista ka mino fa tokana Andriamanitra nefa misy persona telo dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tsy anarana andriamanitra samihafa ireo fa ilay Andriamanitra tokana ihany izay miara-maharitra mandrakizay sady miray amin'ny maha sobstansa tokana azy<ref><small>"[http://www.newadvent.org/cathen/15047a.htm The Blessed Trinity]" in ''Catholic Encyclopedia''</small></ref>. Miampanga ireo Pentekotista trinitariana ho mpivavaka amin'andriamanitra maro ([[Politeisma|politeista]]) ireo tsy trinitariana noho izany.
 
==== Ny Pentekotisma tsy trinitariana ====
Ny Pentekotisma tsy trinitariana dia mampianatra fa tsy persona telo samy hafa miray sobstansa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Niseho amin'ny endriky ny Ray Andriamanitra tamin'ny andron'ny Famoronana, tamin'ny endriky ny Zanaka (Jesosy Kristy) tamin'ny nahatongavany ho nofo, ary Fanahy Masina amin'ny asany ao amin'ny fiainan'ny mino<ref><small>Jereo: "[https://web.archive.org/web/20080216034825/http://ourworld.compuserve.com/homepages/pentecostal/One-Top.htm The Son in Biblical Terminology" in Chapter 5 of David Bernard The Oneness of God] (tahiry) 2008-02-16 at the Wayback Machine.. Notsidihina tamin'ny 13/06/2017.</small></ref>. Karazana modalisma (jereo: [[Trinite]]) ny teolojia pentekotista tsy trinitariana momba an'Andriamanitra. Ataon'ireo Pentekotista trinitariana ho mpanao fampianaran-diso (heretika) ireo Pentekotista tsy mino ny Trinite.
 
== Ny Sakramenta na Ordonansa ==
Roa ny Sakramenta (na Ordonansa) ao amin’ny Pentekotista dia ny Batisan’ny mino sy ny Fanasan’ny Tompo<ref><small>Chris Green, ''Pentecostal Ecclesiology: A Reader'', BRILL, Netherlands, 2016, p. 148</small></ref>. Hoa an'ny Pentekotista sasany dia Ordonansa koa ny fifanasan-tongotra.
 
==== Ny Batisan'ny mino ====
Ny Batisan'ny mino dia batisan'olon-dehibe atao amin'ny alalan'ny fanatsobohana ilay olona ao anaty rano ka manamarika ny fanekena ampahibemaso ny fahavononana hanara-dia an'i Jesosy izany.
 
==== Ny Fanasan’ny Tompo ====
Ny fiheveran'i Kalvino ny Fanasan’ny Tompo ihany no noraisin’ny Pentekotista ka fahatsiarovana ny Sorona Masina nataon'i Kristy izany sy fanavaozana ny Fanekem-pihavanana vaovao ary fotoana isehoan'ny finoan'ny izay miara-misakafo sady mandini-tena amim-pibebahana. Inoany fa fiasam-pahasoavana sy fiderana izany nefa tsipahiny ny fiheverana ny fanasan’ny Tompo ho zavatra atao hahazoana famelan-keloka.
 
== Ny fielezan'ny pentekotisma ==
Araka ny tarehimarika omen'ny Pew Research Center dia miisa any amin'ny 279 000 000 any ho any ny mpino pentekotista. Ireto avy ireo firenena ahitana betsaka ny Pentekotisma:
 
* '''Ameriaka''' : indrindra i Etazonia, i Kanada, i Brezily, i Shily, i Nikaragoa, i Kolombia ary i Arzantina.
 
* '''Afrika''' : indrindra i Ginea Bisao, i Kotidivoara, i Borkina Faso, i Benin, i Gana, i Kamerona, ireo Kongô roa, i Angola, i Madagasikara ary i Mozambika.
 
* '''Azia''' : indrindra i Shina, i Korea, i Japana, i India ary any amin’ny Tany Masina.
 
== Jereo koa: ==
Ligne 6 ⟶ 67 :
 
* [[Kristianisma]]
*[[Evanjelisma]]
 
== Loharano ==