Evanjelisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Evanjelisma]] na [[Evanjelisma|Evanjelikalisma]] dia fihetsiketsehana kristiana milaza fa ny Filazantsara (na Evanjely) no hany fototra sy filamatry ny finoany. Niforona nanomboka tamin'ny Fanavaozam-piangonana protestanta (taonjato faha-16) io fihetsiketsehana io ka nitombo tanjaka nanomboka tamin'ny taonjato faha-18 tamin'ny nipoiran'ny [[Metodisma]] britanika sy ny [[Pietisma]] loterana. Ahita azy ny antokom-pinoana maro amin'ny Protestantisma<ref><small>''[http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf Christianity report]'' [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2Ffiles%2F2011%2F12%2FChristianity-fullreport-web.pdf tahiry]].</small></ref>. Isan'ny matanjaka ao amin'ireo Fiangonana evanjelika ny [[Batisma]], ny [[Pentekotisma]], ny Fihetsiketsehana karismatika evanjelika, ny Fihetsiketsehana karismatika vaovao (na Pentekotisma vaovao) ary ireo Kristianisma avanjelika tsy miankina. Fiangonana evanjelika na Fiangonana <ref>''<small>[http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf Christianity: A Report on the Size and Distribution of the World's Christian Population]</small>'' <small>[[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2Ffiles%2F2011%2F12%2FChristianity-fullreport-web.pdf tahiry]], Pew Forum, 19 décembre 2011, p. 17.</small></ref>ara-pilazantsara no iantsoana ireo fiangonana ireo. Ny Evanjelisma dia atao hoe koa '''Kristianisma evanjelika''' na '''Protestantisma vanjelikaevanjelika''' na '''Evanjelikalisma'''. Ny teny hoe evanjelika dia azo soloaana amin'ny hoe ara-pilazantsara avin'ny teny malagasy.
 
== Ny mampiavaka azy ==
Andalana faha-18:
# Fijoroana vavolombelona: ny Filazantsara no Vaovao mahafaly izay tokony ho zarain'ny Kristiana ara-pilazantsara amin'ny fianakaviany, ny namany, ny mpifanolo-bodirindrina aminy, ny mpiara-miasa aminy, ny olona rehetra izay mety hihaona aminy, na amin'ny fiainanany andavan'andro izany na amin'ny maha mpamita iraka any ivelany azy.
 
Ireo zavatra telo ireo dia arakavokatry ny fanadihadiana nataon'ilay sosiologa britanika atao hoe Bavid Bebbington, izay manampy koa ny maha ivon'ny fivavahanyfivavahan'ny Evanjelika ny amin'ny fanomboana an'i Jesosy Kristy tamin'ny hazo fijaliana, izay lohahevitra mitoetra mandrakariva ao amin'ireo toriteny sady heverina ho kihon-dalana teo amin'ny tantaran'ny Zanak'olombelona. Na dia izany aza dia mason-tsivana tsy dia voaray hanavahana ny Fiangonana evanjelika izany, angamba noho izy tsy sarotra sarahina amin'ny fahatsapan'ny ny tsirairay.
 
Misy vondrona fiangonana hafa izay azo ampifanakaikezina ara-teolojia na ara-sosiolojia amin'ny amin'io firehana io (ohatra amin'izany izay miseho ao amin'ny Fiangonana katolika) nefa tsy azo lazaina hoe ara-pilazantsara, amin'ny hevitra hentitr'ilay teny.
Andalana faha-24:
Araka ny fomba fijery ara-piaraha-monina sy ara-tantara miaraka dia tsapa fa azo faritana amina mason-tsivana roa ny Evanjelisma, dia:
 
* ny fanadratana ambony ny fifohazam-panahy (revivalisma), izay mahafaoka ireo fiheverana manao ho zava-dehibe ny fibebahan'ny tena manokana amin'ny maha fakanan'ny tena manokana ny famonjena;
* ny fanarahana ny lala-marina (ortodoksia araka ny heviny protestanta): ny fahefan'ny Baiboly sy ny maha vokatry ny tsindrimandrin'Andriamanitra azy, ny fahamarinan-tandrifin'ny zavatra voalaza ao ary ny fiarovana vokatr'izany ireo "fahamarina kristiana"<ref><small>Jereo: Jean Baubérot, "Protestantisme", ao amin'ny ''Encyclopædia Universalis'', Paris, Encyclopædia Universalis, 2002, vol. 18, <abbr>p.</abbr> 1045, col. i.</small></ref>.
 
== Ireo fiangonana evanjelika ==
Ireto avy ireo sampana lehiben'ny Evanjelima<ref><small>Brian Stiller, ''Evangelicals Around the World: A Global Handbook for the 21st Century'', Thomas Nelson, USA, 2015, p. 28, 90</small></ref>: ny [[Batisma]], ny [[Pentekotisma]], ny fihetsiketsehana karismatika, ny fihetsiketsehana karismatika vaovao ary ny Kristianisma tsy manana anarana.
 
==== Ny Batisma ====
Ny Batisma dia finoana kristiana evanjelika nipoitra tamin'ny fifohazam-panahy notarihin'ilay pastora anglisy atao hoe John Smyth tao Holandy tamin'ny taona 1609<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 298</small></ref>. Io hetsika io dia miavaka noho ny fanomezany lanja ny Baiboly, ny fahateraham-baovao, ny batisan'ny olon-dehibe, ny toe-tsaina tia mamita iraka, ny fizakan-tena isan-toeran'ny fiangonana, ny fisarahan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana ary ny fananan'ny fitambaran'ny mpiara-mivavaka rehetra fahefana (kongregasionalisma). Niisa 100 000 000 ny mpino batista tamin'ny taona 2010<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 299</small></ref>.
 
==== Ny Pentekotisma ====
Ny Pentekotisma dia finoana kristiana vokatry ny Fifohazam-panahy notarihin'ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao Etazonia tamin'ny taona 1906. Io fihetsiketsehana io dia manana izao toetra izao: manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahateraham-baovao, ny batisan'ny [[Fanahy Masina]], ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina, ny batisan'ny olon-dehibe, ny fananana saina tia mamita iraka, ny fanokanan-tena ara-pitondran-tena amin'ny fiainana, ny fahaleovan-tenan'ny fiangonana isan-toerana, ny fisarahan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana<ref><small>Randall Herbert Balmer, ''Encyclopedia of Evangelicalism: Revised and expanded edition'', Baylor University Press, USA, 2004, p. 533</small></ref>. Niisa any amin'ny 279 000 000 any ho any ny mpino pentekotista tamin'ny taona 2011 araka ny tarehimarika omen'ny Pew Research Center<ref name=":0"><small>[http://www.pewforum.org/2011/12/19/global-christianity-traditions/#protestant Pew Research Center, Global Christianity – A Report on the Size and Distribution of the World’s Christian Population] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2F2011%2F12%2F19%2Fglobal-christianity-traditions%2F%23protestant tahiry]], 19 December 2011, USA</small></ref>.
 
==== Ny Fihetsiketsehana karismatika ara-pilazantsara ====
Tamin'ireo taona 1960, taorian'ny fiantombohan'ny fihetsiketsehana karismatika dia nisy fiangonana ara-pilazantsara nanapa-kevitra ny hanaraka ny zotran'ity fihetsiketsehana ity sy nihataka tamin'ny fifanarahana pentekotista<ref><small>Randall Herbert Balmer, ''Encyclopedia of Evangelicalism'', Baylor University Press, USA, 2004, p. 149</small></ref>. manakaiky ny Pentekotisma ny Fihetsiketsehana karismatika nefa tsy mihevitra ny fiteny tsy fantatra ho porofon'ny Batisan'ny Fanahy Masina. Omeny lanja indray ireo fanomezam-pahasoavana isankarazany<ref name=":1"><small>William H. Swatos, Jr.,[http://hirr.hartsem.edu/ency/cmovement.htm Charismatic Movement] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fhirr.hartsem.edu%2Fency%2Fcmovement.htm tahiry]], ''Encyclopedia of Religion and Society'', USA</small></ref> <ref><small>[http://www.biblestudying.net/charismatic2.html Basic Introduction to the Charismatic Movement] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.biblestudying.net%2Fcharismatic2.html tahiry]], Biblestudying.net, USA</small></ref> <ref><small>Sébastien Fath, ''Du ghetto au réseau. Le protestantisme évangélique en France, 1800-2005'', Édition Labor et Fides, France, 2005, pp. 219-220</small></ref>. Tamin'ny taona 2011 dia niisa 305 000 000 ny mpanaraka io fihetsiketsehana io izay ahitana koa ireo ao amin'ny Fihetsiketsehana karismatika vaovao<ref name=":0" />.
 
==== Ny Fihetsiketsehana karismatika vaovao ====
Tany Etazonia no niforonan'ny Fihetsiketsehana karismatika vaovao tamin'ny fiantombohan'ireo taona 1980. Ivon'ny finoany ny Batisan'ny Fanahy Masina araka ny fanambaràn'i Jesosy Kristy sy ireo fanomezam-pahasoavana sivy avy amin'ny Fanahy Masina<ref name=":1" />. mampiasa ny fitaovam-tserasera vaovao ireo Fiangonana karismatika vaovao<ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 157</small></ref>. Noraisiny ny teolojian'ny Fihetsiketsehana karismatika evanjelika nefa nohamafisiny sy notovanany amin'ny atao hoe "ady ara-panahy", "tenim-pinoana", "fanavaozana ara-drafitra"<ref><small>Sébastien Fath et Jean-Paul Willaime, ''La nouvelle France protestante: essor et recomposition au XXIe siècle'', Édition Labor et Fides, France, 2011, p. 142-143</small></ref>.
 
==== Ny Kristianisma tsy manana anarana ====
Ny Kristianisma tsy manana anarana dia fihetsiketsehana teolojika kristiana avanjelika izay ahitana fiangonana na fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fihetsiketsehan'ny Batisma na ny an'ny Pentekotisma<ref><small>Gabriel Monet, ''L'Église émergente: être et faire Église en postchrétienté'', LIT Verlag Münster, Suisse, 2013, pp. 135-136</small></ref> <ref><small>Frédéric Dejean, [http://geographie-religions.com/2008/10/03/sur-la-troisieme-vague-evangelique/ ''Sur la Troisième vague évangélique''…] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fgeographie-religions.com%2F2008%2F10%2F03%2Fsur-la-troisieme-vague-evangelique%2F tahiry]], Géographie des religions, France, 3 octobre 2008</small></ref>. Tsy manana anarana raikitra iantsoana azy izy ireo <ref><small>Allan Anderson, ''An Introduction to Pentecostalism: Global Charismatic Christianity'', Cambridge University Press, UK, 2013, p. 157</small></ref> <ref><small>http://yannickfer.hautetfort.com/archive/2007/12/25/des-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html</small> <small>[[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fyannickfer.hautetfort.com%2Farchive%2F2007%2F12%2F25%2Fdes-eglises-sans-etiquette-le-protestantisme-evangelique-a-w.html tahiry]]</small></ref> na dia manana ny fahaleovan-tenany aza. Ao amin'ireo atao hoe "megachurch" ("trano fiangonana goavambe") no ahitana azy ireo indrindra<ref><small>Sébastien Fath, ''Dieu XXL, la révolution des mégachurches'', Édition Autrement, France, 2008, pp. 25, 42</small></ref> <ref><small>http://reforme.net/une/monde/revolution-culturelle-mega-churches [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Freforme.net%2Fune%2Fmonde%2Frevolution-culturelle-mega-churches tahiry]]</small></ref>.
 
Ny Calvary Chapel ("Lasapelin'i Kalvary") dia fikambanana nivoaka avy amin'ny Fihetsiketsehana karismatika sady manana fiangonana miisa 1700 tamin'ny taona 2014<ref><small>Timothy C. Morgan, christianitytoday.com, [http://www.christianitytoday.com/ct/2014/february-web-only/change-calvary-chapel-chuck-smith.html The Case for Big Change at Calvary Chapel] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.christianitytoday.com%2Fct%2F2014%2Ffebruary-web-only%2Fchange-calvary-chapel-chuck-smith.html tahiry]], USA, 26/02/2014</small></ref>. Ny Association of Vineyard Churches ("Fikambanan'ny fiangonan'ny tanim-boaloboka") dia fikambanam-piangonana evanjelika niala avy ao amin'ny Calvary Chapel sady manana fiangonana mihoatra ny 1500 eran-tany. Ny Association chrétienne pour la Francophonie dia fikambanam-piangonana mpanao asa soa miisa 26 (taona 2015) any Kanada sy Frantsa ary Haitý. Ahitana ny atao hoe Fiangonana evanjelika afaka (fr.: Églises évangéliques libres) miisa 50 sady misy mpikambana 4000 koa izay nivoaka avy amin'ny Fiangonana nohavaozina ny ao Frantsa izay mitovitovy fomba amin'ny Batista nefa tsy manao ny Batisa asitrika anaty rano ho fepetra hahafaha-mandray ny fanasan'ny Tompo na maha mpikambana. Ahitana io karazana fiangonana afaka io koa ny any Soisa sy Etazonia.
 
== Jereo koa: ==