Evanjelisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Fiangonana ara-pilazantsara ho Evanjelisma i Thelezifor : Anarana fohy sady fantatra maneran-tany
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Evanjelisma]] na [[Evanjelisma|Evanjelikalisma]] dia fihetsiketsehana kristiana milaza fa mihazona ny Filazantsara (na Evanjely) hono hany fototra sy filamatry ny finoany, izay. niforonaNiforona nanomboka tamin'ny Fanavaozam-piangonana protestanta (taonjato faha-16) io fihetsiketsehana io ka nitombo tanjaka nanomboka tamin'ny taonjato faha-18 tamin'ny nipoiran'ny [[Metodisma]] britanika sy ny [[Pietisma]] loterana. Ahita azy ny antokom-pinoana maro amin'ny Protestantisma<ref><small>''[http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf Christianity report]'' [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2Ffiles%2F2011%2F12%2FChristianity-fullreport-web.pdf tahiry]].</small></ref>. Isan'ny matanjaka ao amin'ireo Fiangonana evanjelika ny [[Batisma]], ny [[Pentekotisma]], ny Fihetsiketsehana karismatika evanjelika, ny Fihetsiketsehana karismatika vaovao (na Pentekotisma vaovao) ary ireo Kristianisma avanjelika tsy miankina. Fiangonana evanjelika na Fiangonana <ref>''<small>[http://www.pewforum.org/files/2011/12/Christianity-fullreport-web.pdf Christianity: A Report on the Size and Distribution of the World's Christian Population]</small>'' <small>[[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2Ffiles%2F2011%2F12%2FChristianity-fullreport-web.pdf tahiry]], Pew Forum, 19 décembre 2011, p. 17.</small></ref>ara-pilazantsara no iantsoana ireo fiangonana ireo. Ny Evanjelisma dia atao hoe koa '''Kristianisma evanjelika''' na '''Protestantisma vanjelika''' na '''Evanjelikalisma'''. Ny teny hoe evanjelika dia azo soloaana amin'ny hoe ara-pilazantsara avin'ny teny malagasy.
 
Ny Evanjelisma dia atao hoe koa Kristianisma evanjelika na Protestantisma vanjelika na Evanjelikalisma. Ny teny hoe evanjelika dia azo soloaana amin'ny hoe ara-pilazantsara avin'ny teny malagasy.
 
== Ny mampiavaka azy ==
Ligne 12 ⟶ 10 :
 
Isan'ny manam-pifandraisana ara-teolojia amin'y Evanjelisma koa ireo Fiangonan'ny fifohazam-panahy, ny Jodaisma mesianika, ny Adventisma ary ny Fiangonan'ny mpirahalahy.
 
== Toetra itovian'ireo Fiangonana evanjelika ==
Araka ny filazan'ny Conseil National des Evangéliques de France, ny finoana evanjelika dia azo fintinina amin-javatra telo<ref><small>[http://www.lecnef.org/ce-qu-ils-croient#evan%20ou%20prot Jereo: lecnef.org] ([http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.lecnef.org%2Fce-qu-ils-croient%23evan%2520ou%2520prot tahiry]).</small></ref> izay hita koa ao amin'ny fanambaràm-pinoanan'ny Alliance Evangélique Mondiale, izay neken'izy ireo tamin'ny taona 1951 <ref><small>http://www.eglises.org/declaration/ ([http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.eglises.org%2Fdeclaration%2F tahiry])</small></ref> :
 
# Ny biblisisma: ny Baiboly no filamatry ny finoana ara-pilazantsara;
# Fahateraham-baovao: miaiky ny asam-panavotan'i Kristy amin'ny alalan'ny fieken-keloka sady misafidy manokana ny hanolotra ny fiainany amin'i Jesosy mba hahazo ny fonomezam-pahasoavan'ny famonjena izay mifandray amin'ny fahateraham-baovao. Ny batisan'ny olon-dehibe anabatista dia matetika manambara izany fanapahan-kevitra izany;
# Fijoroana vavolombelona: ny Filazantsara no Vaovao mahafaly izay tokony ho zarain'ny Kristiana ara-pilazantsara amin'ny fianakaviany, ny namany, ny mpifanolo-bodirindrina aminy, ny mpiara-miasa aminy, ny olona rehetra izay mety hihaona aminy, na amin'ny fiainanany andavan'andro izany na amin'ny maha mpamita iraka any ivelany azy.
 
Ireo zavatra telo ireo dia araka ny fanadihadiana nataon'ilay sosiologa britanika atao hoe Bavid Bebbington, izay manampy koa ny maha ivon'ny fivavahany ny amin'ny fanomboana an'i Jesosy Kristy tamin'ny hazo fijaliana, izay lohahevitra mitoetra mandrakariva ao amin'ireo toriteny sady heverina ho kihon-dalana teo amin'ny tantaran'ny Zanak'olombelona. Na dia izany aza dia mason-tsivana tsy dia voaray hanavahana ny Fiangonana evanjelika izany, angamba noho izy tsy sarotra sarahina amin'ny fahatsapan'ny ny tsirairay.
 
Misy vondrona fiangonana hafa izay azo ampifanakaikezina ara-teolojia na ara-sosiolojia amin'ny amin'io firehana io (ohatra amin'izany izay miseho ao amin'ny Fiangonana katolika) nefa tsy azo lazaina hoe ara-pilazantsara, amin'ny hevitra hentitr'ilay teny.
 
Araka ny fomba fijery ara-piaraha-monina sy ara-tantara miaraka dia tsapa fa azo faritana amina mason-tsivana roa ny Evanjelisma, dia:
 
* ny fanadratana ambony ny fifohazam-panahy (revivalisma), izay mahafaoka ireo fiheverana manao ho zava-dehibe ny fibebahan'ny tena manokana amin'ny maha fakan'ny tena manokana ny famonjena;
* ny fanarahana ny lala-marina (ortodoksia araka ny heviny protestanta): ny fahefan'ny Baiboly sy ny maha vokatry ny tsindrimandrin'Andriamanitra azy, ny fahamarinan-tandrifin'ny zavatra voalaza ao ary ny fiarovana vokatr'izany ireo "fahamarina kristiana"<ref><small>Jereo: Jean Baubérot, "Protestantisme", ao amin'ny ''Encyclopædia Universalis'', Paris, Encyclopædia Universalis, 2002, vol. 18, <abbr>p.</abbr> 1045, col. i.</small></ref>.
 
== Jereo koa: ==