Maria (renin' i Jesoa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Maria
Marika: Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
I [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] dia vehivavy avy any Jodia (Jodea) izay voalazan'ny [[Baiboly]] sy [[Apokrifan'ny Baiboly|boky apokrifa]] maro hafa koa ary ny [[Kor'any]] fa niteraka an'i [[Jesoa]] avy any Nazareta. Ny Fiangonana katolika sy ortodoksa dia manome toerana lehibe an'i Maria izay antsoiny hoe [[Renin'Andriamanitra]].
 
== I Maria araka ny Testamenta Vaovao ==
Mitantara ny fanambaràn'ny anjely Gabriela (Gabriely) mialoha tamin'i Maria ny Evanjelin'i matio sy ny an'i Lioka, avy eo tamin'i Josefa fofombadiny ny hahaterahan'i Jesoa. Manome toerana betsaka an'i Maria ny fitantaran'i Lioka toy izay ny an'i Matio. Tantarainy ny amin'ny anjely izay niseho tamin'i maria fa i Matio kosa miresaka ny amin'ny nofin'i Josefa sy ny anjely niseho tamin'i Josefa (Lio. 1.21-35; Mat. 1.18-23).
 
Noho i Maria bevohoka nefa tsy nanao firaisana ara-nofo tamin'i Josefa dia niahiahy azy ho nijangajanga i Josefa ka nieritreritra ny hisaraka aminy mba tsy hanahirana azy, satria araka ny lalàna jiosy dia mety ho toraham-bato i maria<ref><small>Agnès Walch, ''Histoire de l'adultère'', Librairie Académique Perrin, 2009, <abbr>p.</abbr> 54.</small></ref>. Nefa nisy anjely nanazava tamin'i Josefa fa bevohoka noho ny herin'ny [[Fanahy Masina]] i Maria sady nandresy lahatra azy ilay abjely mba tsy hanatanterahany ny eritreriny (Mat. 1.18-19).
 
Ao amin'ny tohin'ny tantara dia namangy an'i Elizabeta rahavaviny i Maria sady naneho ny hafaliany taminy (Lio. 1.39-55). Niteraka an'i Jesoa tao Betlehema izy (Mat. 2.1-6; Lio. 2.4-7) ka namangy azy mianaka ny mpiandry ondry sy ny majy (magy) telo lahy (Mat. 2.7-12; Lio. 2.15-21).
 
Milaza ny tetiaran'i Jesoa ao amin'ny Evanjelin'i Matio (Mat. 1.1-17) dia fa avy amin'ny tranon'ny mpanjaka Davida i Josefa nefa tsy dia mazava loatra ka miteraka tsy fifanarahan-kevitra ny Evanjelin'i Lioka (Lio. 3.23-38) satria i Josefa sy i Maria dia samy voalaza fa taranaky ny mpanjakan'i Israely<ref><small>Geoffrey W. Bromiley, ''The International Standard Bible Encyclopedia, Volume 4'', Wm. B. Eerdmans Publishing, 1995, p. 269.</small></ref>.
 
Ireo Evanjely ireo dia miresaka koa ny amin'ny fitondrana an'i Jesoa zaza tany amin'ny Tempoly mba hanatanteraka ny fanatitra tokony hatao noho ny voalohan-teraka. Naminany i Simeona fa hiaritra fangirifiriana i Maria (Lio. 2.21-35). Ary taty aoriana dia nitranga ny tantaran'ny tsy fahaverezan'i Jesoa tamin'ny faha-12 taonany (Lio. 2.41-51), tamin'ny niakaran'izy ireo ho any amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay fanao isan-taona: raha nody any Nazareta ireo ray aman-dreniny dia nitoetra tao an-Tempoly i Jesoa niady hevitra tamin'ireo "mpanora-dalàna" (manam-pahaizana momba ny Soratra Masina jiosy: ny Torah).
 
I Maria dia niseho rehefa i Jesoa nanatrika ny fampakaram-bady tao Kana (Joa. 2.1-11), avy nitady an'i Jesoa izay mbola nampianatra i Maria (Mar. 3.31-35) ary farany tamin'ny fanomboana an'i Jesoa tamin'ny hazo fijaliana. Ny zananilahy, alohan'ny hahafatesany, dia nametraka an'i Maria tamin'ny "mpianatra tiany indrindra": "<small>25</small> Ary nijanona teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin'i Klopa, sy Maria Magdalena. <small>26</small> Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin'ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!" (Joa. 19.25-26).
 
Voninahitra ho an'Andriamanitra fa namolavola olona tsotra sy hendry Izy , ary anisan'izany i Maria renin'i Jesosy Tompo , virijinina izy ary notorotoronina tamin'ny Fanahy Masina ka nitoe_jaza , ka niteraka an'i Jesosy Tompo ...