Tômasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nandamina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:The Incredulity of Saint Thomas by Caravaggio.jpg|vignette|310x310px|''Ny tsy finoan'i Tomasy'', nataon'i Caravaggio, taona 1600 eo ho eo.]]
I '''Tomasy''' na '''TomàTômà''' dia isan'ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianatr]]'i [[Jesosy]] roa ambin'ny folo lahy. Izy ilay mpianatra tsy nino ny fahafatesan'nyi Jesosy ka nila nitsapa ny lanivoany. Misy [[Apokrifan'ny Baiboly|soratra apokrifa]] izay mitondra ny anarany dia ny [[Filazantsaran'i Tomasy]] sy ny [[Asan'i Tomasy]].
 
== Ny anarany ==
Atao hoe ''Te 'Oma'' izy amin'ny teny arameana izay midika hoe "kambana". ''Δίδυμος / Didymos'' ny dikan'izany amin'ny teny grika. ''Θωμᾶς / Thomas'' no fiantsoana azy amin'ny teny grika. Atao hoe ''Tomasy ilay Didimo'' (''Tômà Didimo'') izy ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Filazantsaran'i JaonaJoany]]. Ao amin'ny soratra ivelan'ny [[Baiboly]] izy dia atao indraindray hoe ''Jodasy Tomasy'' (''Jodasy TomàTômà'') na ''Didimo Joda Tomasy'' (''Didimo Joda TomàTômà''). Ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy dia manoratra hoe ''Didymo'' (misy litera "y" anaty teny).
 
== I Tomasy araka ny Baiboly ==
 
=== Ireo andalana miresaka an'i Tomasy ===
Tsy voaresaka ao amin'ireo Filazantsara sinoptika i Tomasy raha tsy ao amin’ny lisitr'ireo Apostoly (Mat. 10. 2; Mar. 3.16; Lio. 6.12). Ao amin'ny Filazantsaran'i Joany kosa dia manana  ny maha izy azy izy.
 
Lehilahy mafana fo i Tomasy araka io evanjely ary tsapa izany tamin'ny teny nataony taorian'ny nanambaran'i Jesosy ny nahafatesan'i Lazarosy:
 
"<small>11</small> Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho. <small>12</small> Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany. <small>13</small> Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy. <small>14</small> Ary tamin'izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy; <small>15</small> ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy. <small>16</small> Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy."(Joa. 11.11-16).
 
Manana toe-tsaina mitsikera mba hahita ny marina koa izy araka resaka nifanaovany taorian’ny fiaraha-misakafo farany tamin’i Jesosy:
 
[Hoy Jesosy:] "Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako. Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. " (Joa. 14.4-6).
 
Nefa ny toetrany tsy mora minomino foana no ahafantarana azy indrindra ao amin’ny tantaran’ny fisehoan’i Jesosy avy nitsangan-ko velona. Ao amin’io evanjely io ihany dia voalaza fa tsy nety nino ny fahafatesan'i Jesosy i Tomasy raha tsy nahita maso ny holatra navelan’ny fanomboana tamin’ny hazofijaliana:
 
"<small>24</small> Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy. <small>25</small> Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho. <small>26</small> Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. <small>27</small> Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. <small>28</small> Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! <small>29</small> Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino." (Joa. 20.24-29).
 
=== Ny tenin'i Jesosy sy i Tomasy anohanana ny Trinite ===
Ireo tenin'i Tomasy ireodia isan'ny teny anohan'ny mpino ny [[Trinite]] (Andriamanitra Telo Izay Iray) finoany ny maha Andriamanitra an'i Jesosy.
 
"Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!" (Joa. 20.28)
 
"<small>5</small> Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? <small>6</small> Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. <small>7</small> Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. <small>8</small> Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. <small>9</small> Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? <small>10</small> Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. <small>11</small> Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza." (Joa.14.5-11)
 
Marihina fa tsy ny fiangonana na ny fikambanana kristiana rehetra no manao fivoasana an'ireo andalana ireo hanohanana ny finoana ny Trinite.
 
== Soratra apokrifa amin'ny anaran'i Tomasy ==
Ny Kristiana dia tsy manao an'ireto asa soratra manaraka ireto ho nosoratan'i Tomasy na dia mitondra ny anaran'ilay apostoly izy ireo, dia ny [[Filazantsaran'i Tomasy]] (na Evanjelin'i Tômà) sy ny [[Asan'i Tomasy]] (na Asan'i Tômà). Tsy voaray ho isan'ny kanonan'ny Baiboly ireo asa soratra ireo.
 
== Jereo koa: ==