Joany Apôstôly: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitara
Andalana faha-8:
 
Mpanjono ao amin'ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy na Galilia na Genesareta) izy nefa nandao ny haratony fa hanaraka an'i Jesoa sahala amin'i Petera sy i Andrea (Mar 1.16-20; Mat 4.18-22; Lio 5.1-11). Araka ny Evanjelin'i Marka dia nomen'i Jesoa ny anarana hoe Boanergesy ("zana-baratra") izy sy i Jakoba rahalahiny. (Mar 3.17).
 
I Petera sy i Jakoba ary i Joany dia niaraka tamin'i Jesoa teo an-tendrombohitra tamin'ny fotoan'ny fiovan-tarehy (Mar 9.2; Mat 17.1; Lio 9.28).
 
I Joany dia isan'ireo mpianatra niaraka tamin'i Jesoa tamin'ny fanasitrranana ny renin'i Petera (Mar 1.29) sy ny fanasitranana ny zanakavavin'i Jairo lehiben'ny sinagoga (Mar 5.37; Lio 8.51).
 
I Joany dia niditra an-tsehatra tamin'ny anaran'ireo mpianatra izay nisakana olona iray hanao fahagagana amin'ny anaran'i Jesoa (Mar 9.38; Lio 9.49)
 
I Jakoba sy i Joany izay samy zanak'i Zebedio dia nangataka ny mba hipetraka eo akaikin'i Jesoa rehefa tonga amin'ny voninahiny i Jesoa ka nahatezitra ny mpianatra sisa izany (Mar 10.35-45).
 
== Jereo koa: ==