Jakôba zanak' i Zebedeo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Namafa soratra iadian-kevitra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
I '''Jakoba zanak'i Zebedio''' dia iray amin'ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianatr'i]] Jesoa roa ambin'ny folo lahy. Jiosy avy any Galilia izy. Rahalahiny i [[Jaona apostoly|Joany apostoly]].

== Ny anarana ==
Atao hoe koa ''Jakoba Zokiny'' (na ''Jakoba Lehibe'') izy sady rahalahin'i Jaona zanak'i Zebedio. ''Ἰάκωβος / Iakôbos'' no fiantsoana azy amin'ny teny grika. Izy roalahy ireo dia antsoina koa hoe ''Boanergés'' izay midika hoe "zana-baratra". Tsy afangaro amin'i [[Jakoba zanak'i Alfeo]] i Jakoba zanak'i Zebedio. Tsy nanoratra epistily i Jakoba zanak'i Zebedio. Tsy izy no nanoratra ny [[Epistily nosoratan'i Jakoba|Epistilin'i Jakoba]].
 
== I Jaona zanak'i Zebedio araka ny Baiboly ==
I Jakoba zanak'i Zebedio na Jakoba Zandriny dia voaresaka ao amin'ny [[Filazantsara sinoptika|Evanjely sinoptika]] (ohatra ao amin'ny Marka 3.17; Matio 10.2; Lioka 6.14) sy ao amin'ny Asan'ny Apostoly (Asa 1.13)<ref name=":0"><small>André Benoit, « Les personnages de l'Évangile nommés Jacques », in Pierre Geoltrain (dir.), ''Aux origines du christianisme'', Folio/Histoire, 2000 (<nowiki>ISBN 978-2-07-041114-6</nowiki>), p. 246-250.</small></ref>. Rahalahin'i [[Jaona apostoly|Joany apostoly]] izy ary izy roa dia samy atao hoe ''Boanergesy'', izay midika hoe "zana-baratra" araka ny [[Filazantsara araka an'i Marka|Evanjelin'i Marka]] (Mar. 3.17). Ity evanjjeky tranainy indrindra ity dia maneho azy roa ho mpanjono tao amin'ny Farihin'i Tiberiada (na Tiberiasy) nefa namela ny sambokeliny mba hanaraka an'i Jesoa, izany dia voatantara koa ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Evanjelin'i Matio]] sy ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|an'i Lioka]]<ref name=":0" />.
 
Sahala amin'i [[Petera]] sy i [[Andrea (apostoly)|Andrea]], i Jakoba dia isan'ireo mpianatra voantson'i Jesoa voalohany, ary iray amin'ireo mpianatra akaiky azy indrindra izy. Ny lovam-pinoana sinoptika dia manao azy amin'izy telo lahy ho ny apostoly manan-danja indrindra satria izy no nofidin'i Jesoa voalohany, niaraka tamin'i Petera sy i [[Jaona apostoly|Joany]], ho vavolombelon'ny zava-niseho lehibe toy ny nananganan-ko velona ny zanakavavin'ny lehiben'ny sinanagoga, ny fiovan-tarehy teny an-tendrombohitra na ny vavak'i Jesoa tao amin'ny Tendrombohitra Oliva<ref name=":0" />. Nefa, sahala amin'ireo apostoly sisa rehetra dia namela an'i Jesoa voasambotra izy. Voatanisa miaraka amin'ireo mpianatra nitoetra tao amin'ny efitrano ambony i Jakoba tamin'ny nidinan'ny [[Fanahy Masina]] (Asa 1.13)<ref name=":0" />. Tanterin'ny [[Testamenta Vaovao]] ny nahafatesany tamin'ny nisamborana an'i Petera (Asa 12.2)<ref name=":0" />.
 
== Jereo koa: ==
Ligne 5 ⟶ 13 :
* [[Alfeo]]
* [[Zebedio]]
 
== Loharano ==