Petera: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-25:
 
Tamin'ny Konsily natao tao Jerosalema dia mety ho nanova ny fomba fijeriny i Petera. Nanokatra ny ady hevitra tamin'ny fanohanana ny hevitr'i Paoly izay tsy nanery ny Krisiana jentilisa hitandrina lalàn'i Mosesy. I Jakoba Ilay Marina, lohan'ny fiangonana tao Jerosalema, dia namarana ny Konsily tamin'ny fanekenana ny hevitr'i Petera sy i Paoly. Afaka tamin'ny tsy maintsy hitandremana ny fomba jiosy ireo Kristiana jentilisa. Araka an'i Géza Vermes anefa, "mety ho andrana nataon'ny mpanoratra ny Asan'ny Apostoly mba hanotofany ny hantsana misy to amin'ireo olona nanana ny maha izy azy teo amin'ny Fiangonana (i Petera sy i Paoly), tamin'ny fanehoany an'i Petera ho ilay mpiaro ireo tsy Jiosy". Ny tolo-kevitr'i Petera izay mety amin'ireo Kristiana jentilisa, dia "mampiahiahy ara-tantara", "noho ny hevitr'i Petera nanomboka tao Antiokia, sy noho izy manohy ny asa fanirahana azy eo anivon'ny Jiosy irery ihany, tsy izay va, araka ny fomba fitenin'i Paoly "apostolin'ny tsy voafora", no ilay "apostolin'ny voafora", no ilay apostolin'ny tsy voafora" (Gal. 2.7) ?<ref><small>Géza Vermes, ''Dictionnaire des contemporains de Jésus'', Bayard, 2008, 296.</small></ref>.
 
Taorian'ny firesahana momba ny Konsilin'i Jerosalema dia tsy niresaka momba an'i Petera intsony ny Asan'ny Apostoly.
 
== Ireo soratra lazaina fa nosoratan'i Petera ==
 
=== Ireo soratra kanonika ===
Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia roa ny soratra lazaina fa nataon'i Petera, dia
 
* ny [[Epistily voalohany nosoratan'i Petera|Taratasy voalohany nosoratan'i Petera]] sy
 
* ny [[Epistily faharoa nosoratan'i Petera|Taratasy faharoa nosoratan'i Petera]].
 
Mitonon-tena ho "i Petera, ilay apostolin'i Jesosy Kristy" ny mpanoratra ao amin'ny anadalan-tsoratra voalohany ao amin'io taratasy io, izay hamafisina ao amin'ny andian-teny hoe "vavolombelon'ny fijalian'i Kristy" (1Pet. 5.1), ary milaza tena ho "i Simona Petera, mpanompo sy apostolin'i Jesosy Kristy" ny mpanoratra ilay taratasy faharoa (2Pet. 1.1). Araka an'i Géza Vermes dia "saika ny manam-pahaizana rehetra no mihevitra an'ireo epistily roa mitondra ny anarany ho apokrifa: voasoratra tamin'ny taona 100 taor. J.K. eo ho eo ny Petera voalohany ary ny Petera faharoa fara-fahaingany dia tamin'ny taona 125 taor. J.K., na taorian'izany akory aza, izany hoe ireo lahatsoratra ireo dia nosoratana taorian'ny nahafatesan'ny apostoly Simona Petera". Izany dia tsy nanohintohina ny maha isan'ny kanona azy ireo.
 
=== Ireo soratra apokrifa ===
Maro dia maro ireo soratra apokrifa lazaina fa niosoratan'i Petera na miresaka ny aminy, nefa tsy noraisin'ny Fiangonana kristiana ho isan'ny kanonan'ny Baiboly:
 
* ny Asan'i Petera izay miafara, ao amin'ny dikan-teny nasiam-panamboarana, amin'ny hoe ny ''Fijalian'i Petera'' (atao hoe ''Pseodo-Lino'');
 
* ny Evanjelin'i Petera;
 
* ny Apokalipsin'i Petera;
* ny Taratasin'i Petera ho an'i Filipo, ary
* ny Asan'i Petera sy i Andrea
 
== Jereo koa: ==