Andrea (apôstôly): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra sy nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-2:
I '''Andrea''' dia iray amin'ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianatr'i]] [[Jesosy]]. Jiosy Galiliana sady rahalahin'i [[Simona Petera|Petera]] (na Piera) izy. ''Ἀνδρέας'' / ''Andreas'' no fiantsoana azy amin'ny teny grika. ''Andreas'' ihany koa no fiantsoana azy amin'ny fiteny latina. Mpianatr'i [[Jaona mpanao batisa]] izy taloha. Atao hoe ''Protokleto'' ("Ilay Nantsoina Voalohany") koa izy satria nanaraka an'i Jesosy raha vantany vao vita batisa ity farany.
 
Araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly dia teraka tao Betsaida tao Galilia tao amoron'ny farihy Tiberiasy (na Tiberiada) i Andrea. mpanjonoMpanjono tahaka an'i Simona Petera rahalahiny izy. Tamin'ny voalohany dia mpianatr'i Jaona mpanao batisa izy nefa rehefa nasehon'i [[Jaona mpanao batisa|Joany mpanao batisa]] fa i Jesosy no "ilay Zanakondrin'Andriamanitra izay hitondra ny fahotan'izao tontolo izao" (Joa. 1.29-40), dia nanaraka an'i Jesosy izy ka tsy nisaraka tamin'io intsony. Izy no mpianatra voalohany notaomin'i Jesosy hanaraka azy.
 
Mpanelanelana an'i Jesosy tamin'ny olon-kafa no tena ahafantarana an'i Andrea. Izy no naneho an'i Simona rahalahiny tamin'i Jesosy. Tamin'ny nampitomboana isa ireo mofo sy hazandrano dia izy no nitondra ilay zazalahy nanana mofo dimy sy hazandrano roa teo amin'i Jesosy. Tamin'ny fotoana te-hifanatrihan'ireo Grika amin'i Jesosy dia tamin'i Andrea no nitenan'izy ireo an'izany.