Salamon' i Salômôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Namafa soratra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy fizaràna vaovao
Andalana faha-1:
Ny [[Salamon'i Salomona]] na [[Salamon'i Salomona|Salamon'i Solomona]] dia fanangonana salamo miisa 18 izay tsy isan'ny boky kanonikan'ny Baiboly jiosy. Ity boky ity dia nipoitra tao amin'ny Jiosy niaina tamin'ny taonjato voalohany tal J.K. izay nahita an'i [[Jerosalema]] renivohiny nidiran'ireo mpangeja romana. Hita ao aminnamin'yny [[Septoaginta]] (na Septanta) io boky io nefa tsy hita ao amin'ny kanonan'ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) araka ny soratra masoretika. Tsy tokony hafangaro amin'ny [[Antsan'i Salomona]] ny Salamon'i Salomona. Tsy isan'ny kanonan'ny [[Baiboly katolika]] sy [[Baiboly protestanta]] izy.
 
== Teolojia hita ao amin'ny boky ==
I Salomona ao amin'ny Salamon'i Salomona dia miseho amin'hy toetran'ny mesia: izy no ilay zanak'Andriamanitra izay nanitatra ny fari-taniny sady manandratra avo an'i Jerosalema. Tsy hanao zavatra maneho habibiana izy (Sal. Sal. 17.33), tsy sahala amin'ireo Romana mpangeja izay nanao fandripahana. Araka ny hevitr'i R.B. Wright, ny hevitra ny amin'ny mesia dia hita bebe kokoa ao amin'ny Salamon'i Salomona raha mitaha amin'ny soratra apokrifa na pseodepigrafa hafa rehetra.
 
Ny fiarahamonina resahina ao amin'io boky io dia tsy mandala ny fandriam-pahalemana satria manozona ireo fahavalony (Sal. Sal. 4.1snm, 6.14-20) sady maminany ny hamaniany faty azy ireo rehefa mitondra ny mesia (Sal.Sal. 12.6; 17.22-25.). Ny fisedrana mahazo ny vahoaka dia ekeny ho fitsipi-pifehezan'Andriamanitra (Sal. Sal. 14.1; 16.11.) satria hisy valisoa homena izay maharitra ho setrin'izany (Sal.Sal. 2.34snm.). Mionona amin'ny fiainana amin'ny zava-misy amin'izao fotoana izao io vahoaka io sady manantena ny faharesen'ny fahavalony.
 
Io fanoritsoritana io dia mety azo ampifandraisina amin'ny endriky ny fiainan'ny Eseniana tao Komrana (ohatra: ao amin'ny Fitsipiky ny fiangonana na ao amin'ny Tahirin-kevitra tao Damaskosy), nefa ny fomba fiteny iresahany an'i Jerosalema dia tsy dia misy teny miafina firy raha ampitahaina amin'ny soratra eseniana tao Komrana. Ao amin'ny Salamon'i Salomona ny vahoaka dia miezaka hiaina araka ny fahasahiranana miseho amin'ny fotoana ankehitriny sady manantena trangan-javatra mesianika apokaliptika.
 
== Jereo koa: ==