Jakôba (patriarka hebreo): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanalehibe sy namindra sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Ny vady sy ny zanak'i Jakoba
Andalana faha-1:
[[Sary:Leloir - Jacob Wrestling with the Angel.jpg|vignette|''Mitolona amin'ny Anjely i Jakoba'', nataon'i Alexandre-Louis Leloir (1865)|311x311px]]I '''Jakoba''' dia lehilahy iray voalaza ao amin'ny [[Baiboly]] fa zanak'i [[Isaka (Hebreo)|Isaka]] sy rahalahin'i [[Esao]]. Isan'ireo [[Patriarka ao amin'ny Baiboly|Patriarka]] nanao fanekena tamin'Andriamanitra izy. I Jakoba dia antsoina koa hoe Israely taorian'ny fitolomany tamin'ny anjelin'Andriamanitra ka ireo taranany dia atao hoe Israelita na [[Zanak'i Israely]].
Nanompo an'Andriamanitra tokana izy ([[monoteisma]]) ka nandova ny fampanantenana natao tamin'ireo razany dia ny hanana taranaka maro izay homena tany mahavokatra, dia ny [[Tany Kanana]]. Nanambady efatra izy ka niteraka an'ireo zanilahy nipoiran'ny foko roa ambin'ny folo. Niharan'ny fanandevozana tany [[Egypta]] ny taranany alohan'ny honenan'izy ireo any amin'ny tany nampanantenaina azy. Tsy ny Baiboly ihany no ahitana ny tantaran'i Jakoba fa ny boky masina sasany toy ny [[Korana|Koràna]] koa.
 
Ireto ireo vehivavy niterahan'i Jakoba: i Lea sy i Rahely sy i Zilpa ary i Bila. Ny roa voalohany, izay mpirahavavy zanak'i Labàna, no tena vadiny fa ny roa farany dia mpanompo vaviny.
 
Ireto avy ireo zanak'i Jakoba tamin'ireo vehivavy efatra ireo:
 
i [[Lea]] niteraka an'i [[Robena]], i [[Simeona]], i [[Levy]], i [[Joda (zanak'i Jakoba)|Joda]], i [[Isakara]] ary i [[Zebolona]] (na Zabolôna); i [[Bila]] niteraka an'i Dana sy i [[Naftaly]] (na Neftaly); i [[Zilpa]] niteraka an'i [[Gada]] sy i [[Asera]]; i [[Rahely]] niteraka an'i [[Josefa (zanak'i Jakoba)|Josefa]] sy i [[Benjamina]]. Izy ireo no nanjary razamben'ny foko roa ambin'ny folon'i Israely. Tsy nanana zanakavavy afa-tsy i [[Dina (zanak'i Jakoba)|Dina]] i Jakoba izay zananay tamin'i Lea.