Jezebela: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Lohatenim-pizaràna
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:The Death of Jezebel.jpg|vignette|331x331px|''Ny nahafatesan'i Jezebela'' - Gustave Doré - 1866.]]
I [[Jezebela]] na [[Jezebela|Jezabela]] dia andriambavy foinikiana, zanak'i Itobaala I, mpanjakan'i Tiro sy i Sidona. Vadin'i [[Ahaba]] mpanjakan'i Israely izay nanjaka tamin'ny taona 874 hatramin'ny 853 tal. J.K. izy. Voatantara ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka|Boky voalohany]] sy [[Boky faharoan'ny Mpanjaka|faharoan'ny mpanjaka]] ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] ao amin'ny Baiboly i Jezebela. Araka ny Baiboly dia vehivavy ratsy toetra sy mpanao ratsy i Jezebela izay nampirisika ny mpanjaka sy ny vahoaka hiala amin'Andriamanitra. Taorian'ny nahafatesan'i Ahaba dia maty natsipy avy eny amin'ny varavarankely izy ka nohanin'ny alika ny fatiny. Voalaza ao amin'ny Bokin'ny Apokalipsy ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] koa i Jezebela sady aseho ho vehivavy ratsy toetravehivavtoetra koa.
 
== Ny anaran'i Jezebela ==
Andalana faha-8:
 
=== Ao amin'ny Testamenta Taloha ===
Ny tantaran'i Jezebela dia tantaraina ao amin'ireo Bokin'ny mpanjaka:
 
Vadin'i Ahaba mpanjaka i Jezebela, izy no nampiditra tao amin'ny Fanjaka'i Samaria ny fivavahana amin'i Baala sy i Astarte. Nanenjika ny fivavahana jiosy izy. Nampamono ny mpaminany [[Elia]] izay nanaohitra azy izy.
 
Namporisika an'i Ahaba hanao fitondrana jadona i Jezebela. Nampangainy tsy marina i Nabota sady nampamonoiny mba hahazoany ny tanim-boalobony. Taorian'ny namonoana an'i Nabota, Andriamanitra dia naniraka an'i Elia hamely an'i Ahaba sy i Jezebela amin'ny famonoana amin-kerisetra. Nefa i Ahaba nahatsiaro nanenina ka nandeferan'Andriamanitra ka tsy nosaziny nefa nilaza Andriamanitra fa hisy loza hanjo ny tranon'ny zanany lahy.
 
Taorian'ny nahafatesan'i Ahaba, i Jezebela dia nanjaka nandimby azy niaraka tamin'ny zanak'i Ohozia avy eo tamin'i Jorama. Nirahin'ny mpaminany Elisa hanatanteraka ny famalian'Andriamanitra i Jeho izay nanongana sy namono an'i Jorama, avy eo nampanipy an'i Jezebela avy eny amin'ny varavarankelin'ny lapa ka ny vatan'i Jezebela dia nampihinanina ny alika, izany no nahatanteraka ny faminanian'i Elia.
 
=== Ao amin'ny Testamenta Vaovao ===