Bokin' i Henôka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra kely
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-42:
Nankamamy ny Bokin’i Henoka ny Kristiana tany am-boalohany; nefa, ankoantr’ireo tonon-tsiahy mahalana, dia tsy misy zava-pantatra ny amin’ilay boky raha tsy tamin’ny nahitana ny soratanana mirakitra feno ny boky amin’ny fiteny etiopika tamin’ny faran’ny taonjato faha-18 tao avaratra-andrefan’i Afrika.
 
Mampahatsiahy faminaniana niseho tamin’i “Henoka ilay fahafito nandimby an’i Adama” ny iray amin’ireo epistily kanonika, dia ny [[Epistily nosoratan'i Joda|Epistilin’i Joda]]:
 
“<sup><small>14</small></sup>Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina <sup><small>15</small></sup> hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy".” (Joda 1.14-15).
Andalana faha-64:
''/Qāla barakat za-Hēnōk za-kama bāraka ḫərūyāna wa-ṣādəqāna 'əlla hallawu yəkūnū ba-ʿəlata məndābē la-'asassəlō kʷəllū 'əkūyān wa-rasīʿān/''
 
“Teny fitsofan-dranon’i Henoka, nitsofany rano ilay voafidy sy marina izay hiaina amin’ny andron’ny fahasahiranana mba hanesorana ny mpanao ratsy sy ny mpamerinmpamerim-pahadisoana rehetra”.
 
==== Lanjan’ny boky ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ====
Ny Fiangonan’i[[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany]] dia tsy mandray ny Boky voalohan’ny Henoka ho isan’ireo boky kanonika mahazatra, na dia heveriny fa ny fizaràna voalohany indrindra dia vokatry ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Ahitana fizaràna izay heveriny fa mirakitra sombin-dahatsoratra avy amin’ny Bokin’i Henoka izay voasoratra voalohany ilay atao hoe ''Bokin’i Mosesy'', izay ao amin’ny kanonan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Misy ifanahafany amin’ny Boky voalohan’i Henoka sy ny lahatsoratra hafa atao hoe nosoratan’i Henoka (ny 2 Henoka sy ny 3 Henoka) ary ny ''Bokin’ny Olona goavana'' io fizarànan’ny ''Bokin’i Mosesy'' io. Mahakasika fitantaran-javatra sy lohahevitra ary anaran'olona izany fitovizana izany. Heverin’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mirakitra ampahan’ny “zava-miafina sy ny fampianarana ary ny fahitan’i Henoka” ny ampahany natokana ho an’i Henoka ao amin’ny ''Bokin’i Mosesy'', na dia tsy hita ao ny Bokin’i Henoka manontolo.
 
== Jereo koa: ==