Nehemia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Fanitsiana tsipelina sy fehezanteny
Andalana faha-2:
I '''Nehemia''' dia Jiosy niasa tao amin'ny lapan'ny mpanjaka tao Sosa (na Soza na Sosana) renivohitry ny Fanjakana persiana tamin’ny nanjakan’i Artakserksesy I (taona 465 – 424 tal. J.K.). Lohandohany teo amin’ny fiarahamonina jiosy tamin’ny taonjato faha-5 tal. J.K izy. Izy no mpikarakara ny zava-pisotron’ny mpanjaka sady olona nitokisan’ny mpanjaka persiana Artakserksesy I izay nanjaka teo anelanelan’ny taona 464 sy 424 tal. J.K.
 
Na dia nateraka tany an-tsesitany aza i Nehemia dia niraiki-po tamin’i Jerosalema. Rehefa tonga tao Sosa i Hanania, izay mety ho rahalahiny, dia tonga tao Sosa ka nitantara ny zava-misy any Jerosalema, diaka nalahelo tamin’ny fahasahiranana nahazo ny mponin’i Jerosalema i Nehemia. Ny fanamboarany ny tanàna sy ny fanavaozana izay nimasoany no tantaraina ao amin’ny boky mitondra ny anarany, dia ny [[Bokin'i Nehemia|Bokin’i Nehemia]], izany.
 
== Ny asa nataon’i Nehemia ho an’ny fireneny ==
Andalana faha-16:
 
=== Fanarenana ara-tsosialy ===
Nanao fanarenana ara-tsosialy koa i Nehemia. Nampihatra ny lalàna ara-pivavahana ao amin’ny [[Bokin'ny Deoteronomia|Deoteronomia]] i Nehemia noho ny fanararaotana ny mahantra. Nampanaoviny fianianana teo anatrehan’Andriamanitra ireo mpampitrosa mba hamela ny trosan’ny tsy manana mbamin’ny zanabola sy ny zavatra nanaonatao antoka. Nanao izany izy satria niteraka fahasahiranana ny haratsian’ny vokatry ny fambolena tamin’ny 440 tal. J.K. : ny malahelo tsy nanam-bola intsony handoavany ny hetra amin’ny mpanjaka; ny fitrosana sy ny fanaovana antoka fananana tamin’ireo Jiosy nanan-karena avy any Babilona dia navesatra dia navesatra tokoa. Nisy ny Jiosy tsy faly tamin’izany rehetra izany ka nikasa ny hamono an'i Nehemia, isan’izany ny mpaminany Semaia sy ny mpaminany vavy Noadia.
 
=== Fanarenana ara-pivavahana ===