Mikaela (arkanjely): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Namafa tsiahy lava loatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy mari-piatoana
Andalana faha-32:
 
==== Araka ny fiangonana katolika romana ====
[[Sary:Jacopo vignali, san michele arcangelo libera le anime del purgatorio.jpg|vignette|264x264px|''Ny arikanjely Mikaela manafaka ny fanahin'ny maty avy ao amin'ny Afo fandiovana,'' - nataon'i Jacopo Vignali, taonjato faha-17.]]
I Mikaela (na Masindahy Misely) dia manana anjara asa efatra: Izy no mpitarika ny tafik’Andriamanitra izay mandresy ny herin’ny Afobe sady anjely modely amin’ny ady ara-panahy. I Md Misely no ilay anjelin’ny fahafatesana izay mitondra ny fanahin’ny maty mankany an-danitra. Mandanja amin’ny mizàna ny fanahin’ny olombelona koa i Md Misely amin’ny fitsarana farany. Izy no mpiaro manokana ny Vahoaka Voafidy tao amin’ny Testamenta Taloha fa mpiaro ny Eglizy kosa izy amin’izao no mpiaro tanàna maro sady mpiaro ny tafika tamin’ny [[Andro Antenantenany]] (Moyen Age). Misy noho izany ny vavaka atao hangatahana ny fiarovan’i Md Misely sy ny sapole amin’ny anarany.
 
Andalana faha-49:
 
==== Araka ny Vavolombelon’i Jehovah. ====
Ny [[Vavolombelon’i Jehovah]] dia manao ny hoe ''Mikaela'' ho anarana hafan’i Jesoa Kristy any an-danitra, tamin’ny fisiany talohan’ny nahaterahany sy taorian’ny nitsanganany ho velona. Milaza izy ireo fa ny mpanoritra ao amin’ny [[Epistily nosoratan'i Joda|Epistilin’i Joda]] (Joda 9) izay manondro an’i “Mikaela ilay arkanjely”, dia manao an’i Mikaela ho ilay arikanjely tokana. Mihevitra koa izy ireo fa ny hoe ''Mikaela'' dia mitovy hevitra amin’ny hoe ''Kristy'', izay voaresaka ao amin’ny [[Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana|Tesaloniana]] (1Tes. 4.16).<ref name=":1" /><ref>''"<small>satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra. Koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany</small>''" <small>(1Tes. 4.16 -- ''Ny Soratra vasina, Fandikan-tenin'ny Tontolo Vaovao'')</small>.</ref> Marihina fa tsy mitovy tanteraka ireo dikan-teny ao amin'ny Baibolin'ny Vavolombelona sy ny dikan-teny ao amin'ny Baiboly hafa. Mino ny Vavolombelon'i Jehovah fa ny anjara asa ambony indrindra sahanin’i Mikaela ao amin’ny [[Bokin'i Daniela|Bokin’i Daniela]] (Dan. 12.1)<ref name=":0" /> sy ao amin'ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsy]] (Apok. 12. 7;<ref name=":2" /> 14.15<ref><small>"''Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra''." (Apo. 14.17 -- ''Ny Baiboly'')</small></ref>) dia mitovy amin’ny anjara asan’i Jesoa.
 
==== Araka ny Olomasin’ny Andro Farany ====