Tetiandro hebreo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fety jiosy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-1:
[[Sary:Jewish calendar, showing Adar II between 1927 and 1948.jpeg|vignette|304x304px|Tetiandro jiosy maneho ny volana Adara II tanelanelan'ny taona 1927 sy 1948.]]
Ny '''Tetiandro hebreo''' dia [[tetiandro]] ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy sy ny fanjakan'i Israely ankehitriny. Tetiandro manaraka ny fihodin'ny volana sy ny [[masoandro]] ny tetiandro hebreo, ka ny iray volana dia miovaova ho 29 na 30 andro. misyMisy iray volana fanampiny izay asisika isaky ny telo taona satria tokony ho feno ny tsingerim-potoana 19 taona atao hoe Tsingerin'i Metona (filozofa grika tamin'ny taonjato faha-5). Avy amin'io tetiandro io no nahazoana ny Tetiandro jiosy izay ampiasain'ny Fanjakana Israeliana.
 
== Ny fizaràm-potoana ao amin'ny tetiandro hebreo ==
Ny andro iray dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro. Ny herinandro dia manomboka amin'ny AsabotsyAlahady ary mifarana amin'ny ZomaAsabotsy. Ny iray volana (hebreo: חודש / ''hodesh'') dia manomboka amin'ny andro ahatsinanan'ny volana. Ny taona iray dia misy 12 volana nefa indraidray mety hisy 13 volana.
 
=== Ny anaran'ny andro ===
Andalana faha-19:
 
==== Ny anaram-bolana talohan'ny Fahababoana ====
Ny ao amin'ny Baiboly dia voalaza fa ny taona iray misy 12 volana (1Mpan. 4.7 sy 1Tant. 27.1-15) ary ny soratra ao amin'ny Genesisy dia hoatry ny milaza fa ny volana tsirairay dia misy 30 andro (Gen. 7.11; 8.3-4; 8.13-14). Hafa ny anaram-bolana nampiasain'ny Hebreo talohan'ny fahababoana fa tsy mitovy amin'ny ampiasaina amin'izao. Amin'ny ankapobeny dia ny laharan'ny volana ao amin'ny taona no natao anaran'ny volana. Misy anaram-bolana vitsy izay voalaza ao amin'ny Baiboly -, dia ireo nogasina hoe ''Abiba'' (hebreo: אביב /Aviv), ''Ziva'' (hebreo: /Ziv), ''Etanima'' (hebreo: אֵתָנִים/Ethanim) ary ''Bola'' (hebreo: /Bul). Ny Abiba dia nolanavolana voalohany -, ny Ziva no faharoa -, ny Etanima no fahafito -, ny Bola no fahavalo. Heverina ho avy amin'ny anaram-bolana kananita izy ireo.
 
Ny volalan ''Aviv'' (midika ara-bakiteny hoe "lohataona") dia voaresaka ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy]] sy ny [[Bokin'ny Deoteronomia]] (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1). Ny volana ''Ziv'' (midika ara-bakiteny hoe "fahazavana") dia voaresaka ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] (1Mpan. 6.1; 6.37). Ny volana ''Ethanim'' (midika ara-bakiteny hoe "mahery" -, endrika milaza maro) dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 8.2). Ny volana ''Bul'' dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 6.38).
 
==== Ny anaram-bolana taorian'ny Fahababoana ====
Ligne 49 ⟶ 50 :
# Shevat
# Adar
Raha ilaina ny hanampy iray volana dia ampiana Adar I ('אֲדָר ב) izay apetraka ao aorian'ny Shevat ny Adar II (אדר א). Ny totalin'ny andro ao anatin'ny taona iray dia mety ho 353, 354 na 355. Marihina fa ny salan'ny taona manaraka ny fihodin'ny masoandro dia maharitra 365 andro sy 1/4.
 
== Ny fety jiosy araka ny tetiandro hebreo ==
maromaroMaromaro ireo andro ankalazain'ny Jiosy ka ny sasany efa natao araka ny voasoratra ao amin'y [[Tanakh]] fa ny sisa niforona taty aoriana. Ireto avy ireo fety jiosy ankalazaina isan-taona:
* Ny ''Rosh ha-Shana'' (hebreo: ''רֹאשׁ הַשָּׁנָה'' "fiantombohan'ny taona" na יוֹם תְּרוּעָה‬ /''Yom Teruah'' "androm-piantsoana"); ankalazana ny taom-baovao ivelan'ny fivavahana; ankalazaina amin'ny 1 sy 2 Tishri (ny taom-baovaom-pivavahana dia ny 1 Nisan);
* Ny ''Yom Kippur'' (hebreo: ''יוֹם כִּיפּוּר''‬ na ''יום הכיפורים'' / ''Yom ha-KippourimKippurim'' "andron'ny famelan-keloka") anaovana fifadian-kanina sy vavaka be; tanterahina amin'ny 10 Tishri;
* Ny ''Sukkot'' (hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת / ''Hag ha-Sukkot'' "fetin'ny trano lay" na "fetin'ny tabernakely"); ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian'Andriamanitra ny [[Zanak'i Isiraely]] tamin'ny nivoahany avy any Ejipta sy iravoravoana amin'ny fahataperan'ny tsingerin'ny fotoam-pambolena amin'ny taona; ankalazaina manomboka amin'y 15 hatramin'ny 21 (na 22) Tishri;
* Ny ''Shemini Atseret'' (hebreo:שְׁמִינִי עֲצֶרֶת‬ "valo andro fivoriana" na ''יּוֹם הַשְּׁמִינִי עֲצֶרֶת'' / ''Yom ha-Shemini Atseret'' "fetim-pamaranana amin'ny faha-valo andro"); anombohan'ny fotoana irotsahan'ny rononorana ao Israely; ankalazaina amin'ny 22 Tishri;
* Ny ''Simkhat Torah'' (hebreo: שמחת תורה '''/''' "hafalian'ny Lalàna"); ankalazana ny [[Torah]] ("Lalàna") ka itondrana am-pilaharana ny horonam-boky mirakitra azy; tanterahina amin'ny 22 sy 23 Tishri;
* Ny ''Khanukka'' (hebreo: חג החנוכה / ''Hag ha-Khanukka'' "fetin'ny fanorenana") ; ahatsiarovana ny fitokanana indray ny alitara fanaovam-panatira ao amin'ny [[Tempoly]] faharoa ao Jerosalema -, tamin'ny fiverenana amin'ny fanompoam-pivavahana jiosy -, telo taona taorian'ny nandraran'i Antiokosy IV (Seleokida).
* manomboka amin'ny 25 Kislev hatramin'ny 2 Tevet;
* Ny ''Tu bi-Shevat'' (hebreo: ט"ו בִּשְׁבָט na חֲמִשָּׁה עָשָׂר בִּשְׁבָט / "dimy ambin'ny folo andron'ny Shevat"); taom-baovaon'ny hazo; ankalazaina amin'ny 15 Shevat;
* Ny ''Purim'' (hebreo: פּוּרִים / ''He-Purim''); ahatsiarivana ny nanavotan'i [[Estera]] ny Jiosy tamin'ny fanenjehan'i Hamana; ankalazaina amin'ny 14 (sy 15) Adar;
* Ny ''Pesakh'' (hebreo: פֶּסַח) io no [[Paska jiosy]]; ahatsiarovana ny nandalovan'ny fahafatesana eny ambonin'ny tranon'ireo Jiosy ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa ny fivoahan'ny razany avy tamin'ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazina manomboka amin'ny 15 hatramin'ny 22 Nisan;
* Ny ''Yom ha-Shoah'' (hebreo: יום השואה "andron'ny [[Shoa]]"); ahatsiarovana ny fandripahana [[Jiosy]] nataon'ny fitondrana [[Nazi]]; ankalazaina amin'ny 28 Nisan;
* Ny ''Yom haTsikaron'' (hebreo: יוֹם הַזִּכָּרוֹן‬ "andro fahatsiarovana"); ahatsiarovana ireo miaramila Israeliana matin'ny ady sy ny asa fampihorohoroana; ankalazaina amin'ny 4 Iyyar;
* Nhy ''Yom haAtzma’ut'' (hebtreo: יום העצמאות "andron'ny fahaleovan-tena"); ahatsiarovana ny fiforonan'ny Fanjakana Israeliana; ankalazaina amin'ny 5 Iyyar;
* Ny ''Lag baOmer'' (hebreo: לַ״ג בָּעוֹמֶר‎‎ "telo amby telopolo andro ao amin'ny omera") ankalazaina amin'ny 18 Iyyar;
* Ny ''Yom Yerushalayim'' (hebreo: יום ירושלים "andron'i Jerosalema"); ahatsiarovana ny fanafahana sy ny nahazoan'ny tafika israeliana an'i Jerosalema tamin'ny taona 7 Jona 1967 (28 Iyyar taona 5727) amin'ny 28 Iyyar;
* Ny ''Shavuot'' (hebreo: שבועות "herinandro") ankalazana ny fijinjana ny [[varimbazaha]] sy ahatsiarovana ny nanomezan'Andriamanitra ny Torah tany an-tendrombohitra Sinay; ankalazaina amin'ny 6 Sivan.